Nahazoana vokatra tsara ny fiarahamiasan’ ny MINAE sy ny CGIAR

Ny CGIAR na « Groupe Consultatif pour la Recherche Agricole Internationale » dia fivondronan’ ny ivon-toeram-pikarohana momba ny fambolena miasa any amin’ny firenena 80 mahery. Tanjony ny hampandroso ny fikarohana, ny siansa ary ny fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny sakafo mba hampitomboana ny vokatra hafahana miantoka ny sakafon’ ny olona an-tapitrisany, indrindra any amin’ny firenena ambany fidiram-bola sy hiaran’ ny fiovaovan’ ny toetrandro.

Misitraka ireo asa fikarohana sy ny zava-baovao entin’ny CGNIAR i Madagasikara amin’ny alalàn’ny Africa Rice, ny CIP (International Potato Center) ary ny IITA (Institut Internationale de la Agriculture Tropicale).

Nampafatarin’ ny CGIAR nandritra ny Vitrine “ CGIAR Madagascar” izay notanterahina ny 24, 25 ary 26 novambra 2021 tany Antsirabe faritra Vakinakaratra, ireo vokam- pikarohana sy ny vokatr’ ireo asa notanterahiny teto Madagasikara izay niarahana tamin’ ny MINAE sy ireo ivontera-pikaroany. Anisan’izany ny famoronana karazana vary vaovao izay niarahan’ ny Africa rice sy ny FOFIFA dia ny FOFIFA 188, FOFIFA 189, FOFIFA 190, mety hoan’ ny faritra Bas Mangoky, ny FOFIFA 191, FOFIFA 192, FOFIFA 193 hoan’ ny afovoantany, ny famokarana karazana voamanga mavo aty iarahan’ ny CIP “International Potato Center” sy ny FIFAMANOR, ny fampidirana fitaovana vaovao ho an’ny ny Fambolena vary toy “semoir” sy ny “sacleuse motorisée” ary ny fomba fananganana orinasa ho an’ny tanora.

Ity hetsika ity, izay nampivondrona ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ao amin’ny sehatrin’ ny fikarohana sy ny fambolena dia mikendry ny hamaritra ny laharam-pahamehana iraisana sy handrindrana ny fanatanterahana ny fanavaozana ary ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara.

Nandritra ity fihaonana ity ihany koa dia niray feo ny mpandray anjara rehetra tamin’ny ilàna ny fandrindrana ny asa rehetra, ny fanomezan-danja ireo voka-pikaroana ary ny fametrahana rafitra matanjaka ho an’ny fikarohana sy ny fanavaozana.

DES RÉSULTATS PROBANTS POUR LE MINAE ET LE CGIAR

Le Groupe Consultatif pour la Recherche Agricole Internationale (CGIAR) est un consortium international de centres de recherche agronomique qui travaille dans plus de 80 pays. Son travail est de faire progresser la recherche, la science et l’innovation en agriculture et en alimentation afin d’augmenter les rendements agronomiques et de garantir à des millions de personnes, principalement dans les pays à faible revenu l’accès à une nourriture riche et diversifiée. Madagascar bénéficie des recherches et des innovations du CGNIAR à travers l’ Africa Rice, le CIP International Potato Center et l’ IITA (Institut International d’Agriculture Tropicale)

Le CGIAR a présenté lors de la vitrine CGIAR Madagascar qui s’est tenue à Antsirabe les 24, 25, et 26 novembre 2021, les résultats des recherches et produits réalisés à partir de ses interventions à Madagascar. Parmi ceux-là la production de nouvelles variétés de riz FOFIFA 188, FOFIFA 189, FOFIFA 190 pour la région du Bas Mangoky, FOFIFA 191, FOFIFA 192, FOFIFA 193 pour les hautes terres centrales développées par l’ Africa rice avec le FOFIFA , le développement de variété de patate douce à chair orange en collaboration avec le CIP et le FIFAMANOR, l’introduction de nouvel outil pour la mécanisation de l’Agriculture tels que les semoirs mécaniques et la sarcleuse motorisée et de méthodologie pour la création d’entreprise pour les jeunes.

Cet événement qui a réuni toutes les parties prenantes du pays gouvernement partenaire vise à identifier les priorités communes et à planifier la mise en œuvre conjointe de la recherche et innovation pour le développement du secteur Agricole à Madagascar.

A l’issu de cet événement tous les participants ont été unanimes sur la nécessité d’une coordination des interventions, de la valorisation des résultats des recherches et la mise en place d’un système fort pour la recherche et l’innovation.

Retour

Comments are closed.