Legioma nentim-paharazana, manampy amin’ny fanjarian-tsakafo eto madagasikara

Anisan’ny firenena aty Afrika manana karazana legioma nentim-paharazana maro, toy ny anamamy,angivy, voatavo, anapatsa sy ny maro hafa i Madagasikara. Mbola tsy tafapetraka nefa ny fanomezan-danja ireny karazana legioma ireny ka ahiana ho lany tamingana. Hatramin’ny taona 2018 nanombohan’ny tetikasa DARWIN INITIATIVE, tetikasa miara-miasa amin’ny FOFIFA, ny Oniversiten’Antananarivo, sy ny SEMANA ary ny World Vegetable Center dia fahombiazana no azon’ireo vehivavy mpamboly legioma miisa 200 izay misitraka ny tetikasa, ao amin’ny faritra Itasy sy Vakinankaratra.

Nampihofanina momba ny fitahirizana masomboly sy famokarana legioma nentim-paharazana izy ireo tamin’izany. Tanjona ny hanatsarana ny sakafo sy ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano ary ny hisian’ny fanjarian-tsakafo ao amin’ireo faritra ireo. Nanatsara ny fari-piainana sy ny fahasalaman’izy ireo ny fambolena ny legioma nentim-paharazana hoy ireo mpisitraka ny tetikasa, noho izy mitondra otrikaina maro ary sehatr’asa hita fa tena mahavelona tokoa.

Sekoly ambaratonga voalohany miisa 8 ihany koa no nofanina amin’ny fampidirana ao anatin’ny zaridainan’izy ireo ny fambolena ny legioma nentim-paharazana. Natao hampiroboroboana ny fampiasana ny “agro-biodiversité” ary indrindra hanatsaràna ny sakafon’ny mpianatra.

Nisy araka izany ny atrikasa nasionaly momba ny tetikasa DARWIN INITIATIVE izay notontosaina tao amin’ny PANORAMA Andrainarivo ny 19 novambra 2021, ho fampahafantarana ny vokatry ny tetikasa izay hita fa tsara tokoa. Natao ihany koa hanentanana ny mpitantana isan-tsokajiny, ny mpandray fanapahan-kevitra rehetra, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amin’ny fampidirana ny legioma nentim-paharazana ao anatin’ny zaridainan-tsekoly. Marihina fa hifarana ny taona 2022 ny tetikasa.

——————————————————–

LEGUME TRADITIONNEL, RENFORCENT LA SECURITE ALIMENTAIRE ET NUTRITIONNELLE A MADAGASCAR

Madagascar possède de nombreux légumes traditionnels tels que l’aubergine africaine ou « angivy », la morelle (anamamy), les amarantes (anapatsa). Cependant, ces types de légumes ne sont pas assez valorisés et  méritent d’être protégés.

Depuis la mise en œuvre du projet DARWIN INITIATIVE en 2018 qui aide à protéger la biodiversité, un projet mené par le World Vegetable Center, le FOFIFA et l’Université d’Antananarivo, 200 femmes agricultrices bénéficiaires du projet dans la région Itasy et Vakinankaratra déclarent être très satisfaites de la culture de ces légumes traditionnels. En effet, la consommation de ces légumes traditionnelles a permis d’améliorer la santé, la sécurité alimentaire et nutritionnelle de chaque ménage des bénéficiaires.

Les femmes ont été formées sur la conservation des semences et sur la production des légumes traditionnels pour la consommation et la vente. 8 écoles primaires ont été également formées pour introduire les légumes traditionnels dans leurs jardins scolaires afin de de promouvoir l’utilisation de l’agro-biodiversité et surtout d’améliorer la nutrition à l’école.

C’est dans ce contexte qu’une conférence nationale du projet DARWIN INITIATIVE a été organisée à l’Hôtel Panorama Andrainarivo le 19 Novembre 2021.L’objectif est de faire connaitre les résultats de ce projet et de sensibiliser les dirigeants, les décideurs, les partenaires techniques et financiers sur l’intérêt d’intégrer la diversité des légumes locales et traditionnelles dans les programmes de jardins scolaires. Notons que ce projet s’achèvera en mars 2022.

Retour

Comments are closed.