Aretin’omby ao vakinankaratra: mandray ny andraikiny ny minae

Manoloana ny trangan’aretina mahazo ny omby izay mampatahotra ny mpiompy ao amin’ny faritra Vakinankaratra dia nandray ny andraikiny mifandraika amin’izany ny MINAE tamin’ny alalan’ny DGE.Efa nisy ny fangalàna singa an’ireo omby nahitana ny trangan’aretina, efa natao ny “analyse” ka hita fa “hémoparasite” no mahazo ireo omby. Efa nisy ihany koa ny “enquête” natao ka eo andalam-pijerevana ny valiny amin’izao fotoana. Hiroso amin’ny fangalana singa faharoa ihany koa afaka fotoana fohy. Efa nisy ihany koa ny fanomezana fanafody ireo mpitsabo biby ao amin’ny faritra hiatrehana izany.

Efa voatsabo avokoa ireo omby nahitana ny trangan’aretina ary ireo biby izay nandalovan’ny aretina ka nahazo fitsaboana dia sitrana avokoa ary tsy niverenan’ilay aretina intsony. Misy ny “protocole de traitement” napetraka ary efa manana “plan de riposte” ny fanjakana hiatrehana ny aretina raha sanatria mbola misy ny tranga. Araka izany dia feràna ny fivezivezen’ny omby amin’ireo faritra telo izay tena ahitana ny aretina dia ny ao Vinaninkarena, Betafo ary Faratsiho.

Marihina fa tsy mbola nisy ny omby maty tao anatin’izay fotoana izay ary tsy ireo ombivavy nafarana akory no nahitana ny trangan’aretina fa ireo omby amin’ny faritra manodidina.

————————————————————

MALADIE DES BOVINS A VAKINANKARATRA: LE MINAE A PRIS SES RESPONSABILITES

Face à la maladie qui affecte les bovins dans la région du Vakinakaratara, le MINAE à travers la DGE a pris les mesures nécessaires pour lutter contre cette maladie. Des prélèvements et des tests ont été effectués sur les animaux infectés et ont montrés que les bovins souffrent d’hémoparasites. Des enquêtes ont également été menées et le traitement des résultats sont actuellement en cours. Selon la DGE, un deuxième prélèvement sera effectué sous peu. Le MINAE a aussi distribué des médicaments aux vétérinaires de la région pour qu’ils puissent assurer le traitement.

Tous les zébus infectés sont déjà traitées. Ceux qui ont reçu un traitement sont guéris et la maladie ne s’est plus propagée. Un “protocole de traitement” a été mis en place et l’État dispose d’un “plan de riposte” pour faire face à cette maladie au cas où le cas persisterait. Aussi, le déplacement du bétail est limité dans les trois zones où la maladie est la plus répandue à savoir Vinaninkarena, Betafo et Faratsiho.

Il est à noter qu’aucun bovin n’est mort pendant cette période. Ce ne sont pas aussi les vaches importées qui ont été infectées mais les bovins des environs.

Retour

Comments are closed.