MISOKATRA NY TRANOKALA HO FANJOHIANA NY MASOMBOLY ETO MADAGASIKARA

Nanisana, 21 oktobra 2021.  Naseho tamin’ny fomba ofisialy ny tranonkala www.soc-semences.mg ary natolotra ireo mpikirakira masomboly nahazo fiofànana sy fankatoavana, ny PAS (Permis d’Activités Semencières) misy QR Code.

Manampy amin’ny fampiakarana ho 30% ny voka-bary ny fampiasana masomboly tsara kalitao, ary ireo voafantina sy voamarina irery ihany no azo varotana eto amin’ny Firenena araky ny lalàna. Maro anefa ireo hosoka eo amin’ny famokarana masomboly eto Madagasikara. Izao ezaky ny Ministera misahana ny fambolena izao, izay tohànan’ny fitondram-panjakana Japone amin’ny alàlan’ny JICA, dia entina anomezana toky ireo mpamboly ny amin’ny masomboly voafantina sy ara-kalitao tokony ampiasainy, sy ny amin’ireo mpamokatra masomboly efa naazo alàlana hanao izany.

Araka izany, io tranokala io, izay azo sokafana ihany koa avy eto amin’ny tranokalan’ny Ministera, dia fitaovana entina hanjohiana ny masimboly sy izaràna ireo tsara ho fantatra sy vaovao farany momba ny tontolon’ny masomboly voafantina sy voamarina, ireo mpikirakira ambioka nahazo fankatoavana miisa 350 eto amin’ny Firenena, sy ireo asa sahanin’ny SOC.

Marihina fa ny SOC na ny Sampandraharam-panjakana misahana ny Fanaraha-maso ny Masomboly sy ny Zana-javamaniry eto Madagasikara, izay mijoro eo anivon’ny MINAE, no misahana ny fanamarinana ny kalitaon’ny masomboly aparitaka eto amin’ny Firenena sy ny fankatoavana ireo mpikirakira sy mpitsirika izany. Asany ihany koa ny mihazona sy mitantana ny Katalaogy nasionaly mirakitra ireo sokajim-boly sy karazana.

LE MINAE LANCE UN PORTAIL POUR LA TRACABILITE DES SEMENCES A MADAGASIKARA

Nanisana, 21 octobre 2021.  Le Site web www.soc-semences.mg a été officiellement lancé et les Permis d’Activités Semencières (PAS) avec QR Code ont été distribués aux établissements semenciers formés, en présence du Dr Raymond, Vice Ministre en charge de l’Elevage.

L’utilisation de semences de qualité permet d’accroître la productivité rizicole de 30%. Selon la loi, seules les semences contrôlées et certifiées peuvent être commercialisées sur le territoire national. Nombreuses sont pourtant les contrefaçons en la matière. Conduite par le service officiel de contrôle des semences et matériel végétal (SOC) rattaché au MINAE et avec l’appui du Gouvernement japonais à travers la JICA, cette action visant la traçabilité des semences à Madagascar a pour but de redonner confiance aux producteurs quant à la qualité des semences à utiliser et l’agrément des établissements offreurs.

Notons que le contrôle de la qualité et la certification des semences, ainsi que la formation et l’octroi de l’agrément aux établissements semenciers comme précisé dans la loi semencière, relèvent de la compétence du SOC.

Ce site, également accessible via le portail du Ministère www.minae.gov.mg, met à la disposition du public toutes informations utiles et à jour sur le monde semencier malagasy, notamment la liste des 350 Etablissements semenciers homologués à Madagascar, ainsi que les actions du SOC. Le site web génère un QR code propre à chaque établissement qui figure sur le PAS, matérialisant l’agrément technique délivré pour chaque établissement.

Comments are closed.