Nanome toky ny Sekretera Jeneraly vaovaon’ny MINAE fa hanao izay tratra ho fanatratrarana ny tanjona napetraky ny Ministera

Anosy 15 oktobra 2021. Tontosa ny famindram-pahefana teo amin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny MINAE teo aloha, TILAHY ANDRIANARANINTSOA Désiré Gabriel sy Ramatoa RAHARINOMENA Fanja, Sekretera Jeneraly vaovao, lanona izay natrehan’Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Harifidy RAMILISON.

Nandritra izany dia nangataka hatrany ny fifankatiavana sy ny fiaraha-miasa avy amin’ny tsirairay ny Minisitra, ho fanatanterahana ny fanamby napetraky ny Ministera dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mbola ezaka goavana hatao ny hisian’ny tahirin-tsakafo eny anivon’ny faritra tsirairay, izay angatahana ny ezaky avy amin’ny tsirairay.

Naneho ny fahavononany feno kosa ny Sekretera Jeneraly vaovao, amin’ny fitondràna ny anjara birikiny ho fanatanterahana ny tanjona izay napetraky ny Ministera. Nanome toky ihany koa ny tenany fa hiezaka sy hanao izay tratra hanatratrarana izany tanjona izany amin’ny fametrahana ny « esprit d’équipe » sy ny « valeur » n’ny Ministera dia ny « maha-matihanina, ny fanatanterahana ny asa an-tsakany sy an-davany ary ny fikirizana ».

——————————————————-

Anosy 15 octobre 2021. Cérémonie de passation de service entre le SG sortant, Monsieur TILAHY ANDRIANARANINTSOA Désiré Gabriel et le SG entrant du MINAE, Mme Fanja RAHARINOMENA, en présence de Monsieur le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage Harifidy RAMILISON.

Le Ministre a sollicité  durant cette cérémonie, la contribution de chacun et la collaboration de tous afin de relever le défi fixé par le Ministère qui est l’autosuffisance alimentaire. Un grand objectif du Ministère qui demande les efforts de tous est également de disposer des aliments au niveau de chaque région.

Le nouveau Secrétaire Général, pour sa part, a exprimé sa volonté dans la réalisation des objectifs fixés par le ministère. Elle a assuré qu’elle ferait de son mieux pour atteindre les objectifs en valorisant l’esprit d’équipe et les 3 valeurs du MINAE qui sont le professionnalisme, la persévérance et l’intégrité.

Retour

Comments are closed.