Fametrahana kavin’omby elektronika: vahaolana maharitra hoan’ ny fampiroboroboana ny fiompina omby.

Natomboky ny Filohan’ ny Repoblika Andry RAJOELINA tamin’ ny fomba ofisialy tany amin’ ny faritra Anosy ny tetikasa nasionaly goavana famantarana sy fanarahana ara-elektronika ny omby, amin’ ny alalàn’ ny fampiasana ny kavinomby elektronika.

Anisan’ ny harena mampalaza an’ I Madagasikara eran-tany ny omby(zebu) ary tafiditra ao anatin’ ny soatoavina sy ny kolontsaina maha Malagasy.Mihena hatrany ny isan’izy ireo noho ny tsy fandriam-pahalemana sy firongatry ny halatr’omby any amin’ ny faritra ambanivohitra izay misy ny fiompina, ka anisan’ny mampihisatra ny fampiroboroboana io seham-pihariana omby io.

Anisan’ ny antony mahabetsaka ny halatr’omby ny tsy fisian’ ny lamina fanaraha-maso mangarahara sy ara-potoana ny fivezivezen’ ny omby varotana eny amin’ ny tsena.Voasoritra tsara ao antin’ ny vina IEM natolotry ny Filoham-pirenana ny hampiroboroboana ny fiompina omby sy ny ady amin’ ny halatr’omby eto Madagasikara, hanatanterahana ny velirano n°1” ny fitoniana sy ny fandriampahalemana” sy ny velirano n°9 dia ny “fahavitan-tena ara-tsakafo”

Vahaolana maharitra no hapetraky ny MINAE hiarahana amin’ ny tetikasa CASEF izay eo ambany fiahiany ary vatsian’ ny Banky Iraisam-pirenena, amin’ ny alalan’ ny paikady vaovao, anatin’ izany ny fandaharanasa fanarahana ny omby na ny LITS. Fenitra iraisam-pirenena no arahina amin’ ny alalan’ ny fametrahana ny kavin’omby elektronika sy tsy hanaovana hosoka, ary ny fitrandrahana ireo amgom-baovao amin’ ny alalàn’ ny rindrambaiko zebuscan.

Voarakitra anaty angona voatahiry daholo ireo antontam-baovao momban’ ny omby iray: ny toerana nahaterahany, ny mety ho tompony rehetra, ny  momba ny fahasalamany : ny aretina efa nahazo azy sy ireo vakisiny efa natao taminy.

Tanjona  lehibe amin’ izany ny ahafahana mamaritra ny fiainan’ ny biby iray, ny amongorana ireo hosoka ara-taratasy sy ny tsy hisian’ ny famarotana ny omby halatra intsony ka hiverenan’ ny fahatokisan’ ny mpanjifa na eo amin’ ny tsena anatiny na ivelany.

“Hatramin’ ny faran’ ny taona 2021 dia omby miisa 50 000 any amin’ ny faritra Anosy, Androy , Ihorombe ary Atsimo Andrefana no hametrahana kavinomby” hoy ny Filoham-pirenena.

Ny Ministrin’ ny fambolena sy ny fiompina kosa dia manentana ireo tantsaha amin’ ny fampiasana bebe kokoa ny fitaovam-pamokarana moderina sy ny mba hitodihana amin’ ny famokarana hena sy ny ronono.

Boucle infalsifiable à lecture électronique : une solution durable pour la traçabilité et l’identification des bovins à Madagascar

Le zébu occupe une place importante dans la vie économique Malgache. Il est utilisé dans le travail des champs et pour le transport de marchandise dans les zones rurales. C’est également un bien à forte valeur ajoutée car il assure la survie d’un foyer en cas de nécessité. C’est aussi la première source de protéine animale à Madagascar et la viande de zébu  malagasy commence aussi à être prisée à l’étranger.

Depuis une dizaine d’année, force est de constater une baisse du cheptel bovin à Madagascar. Cette baisse s’explique généralement par la recrudescence de l’insécurité, du vol de zébu dans les zones d’élevage mais aussi par un manque de système de  traçabilité des animaux.

Conscient de ce problème l’Etat Malagasy à Travers le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage a pris de nombreuses mesures afin de préserver le cheptel et relancer  la filière bovine : le système de géo localisation par l’implantation de puce électronique pour protéger les animaux du vol l’amélioration génétique des bovins et l’amélioration de l’alimentation animale par la promotion de culture fourragère.

Afin d’améliorer la traçabilité et l’identification des bovins à Madagascar, le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage avec l’appui du projet Croissance Agricole et Sécurisation Foncière (CASEF) financé par la banque Mondiale  met en place un système de traçabilité et d’identification  par boucle infalsifiable à lecture électronique. Il s’agit d’une solution numérique mettant en synergie un dispositif de lutte contre le vol des animaux et un système de gestion de l’identification et de la traçabilité des animaux.

Ce système permet de contrôler, d’enregistrer de retracer les évènements de la vie de chaque animal, les mouvements entre sites, les transactions (propriétaires),  les vaccinations, de la naissance jusqu’ à l’abatage. Elle apporte également les informations et une preuve sur les activités sanitaires réalisées sur l’animal. Elle joue un rôle important dans la surveillance et la sécurité sanitaire puisqu’ elle permet de remonter l’origine d’une éventuelle contamination ou maladie. Le système permettra également de réduire les différentes formes de corruption relative à la commercialisation des bovins.

Ce nouveau système est constitué des composantes suivantes : des boucles infalsifiables avec des codes d’identification unique pour chaque animal, des smartphones pour l’enregistrement des animaux et d’une base de données nationale pour le stockage des informations. Ce nouveau système pour cette année 2021 sera testé dans 4 régions à savoir la Région Anosy ,Androy, Ihorombe et Atsimo Andrefana. Pour cette phase pilote, 50 000 boucle, seront  posées auprès d’animaux cibles.

Le lancement officiel de ce nouveau système a été effectué par le Président de la République de Madagascar SEM Andry RAJOELINA  avec le Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage Mr RAMILISON Harifidy dans la commune d’Akaramena, district de Taolagnaro, région Anosy  le 01 octobre 2021.

Comments are closed.