FAO sy Madagasikara hifanome tanana amin’ ny fampiroboroboana ny fiompiana

Vonona hatrany ny FAO hampiroborobo ny sehatry ny Fiompiana eto Madagasikara. Izany no votoatin-dresaka nandritra ny fihaonan’ny Solontena maharitry ny FAO miasa eto Madagasikara Atoa Mbuli Charles BOLIKO tamin’ny Minisitra lefitra misahana ny fiompiana, Dr Raymond, ny alakamisy 26 aogositra 2021 tetsy Ampandrianomby.

Maro ireo sehatra iaraha-miasa ary ny ady amin’ny aretina #FVR dia laharam-pahamehana ka hifandrobonana amin’izao fotoana izao, hoy ny Solontena maharitry ny FAO. Misy ny fanadihadiana izay tanterahan’ny MINAE manerana ny faritra 15 ahafahana mametraka ny paikady entina miady amin’izany aretina izany. Ny FAO no miantoka ireo fitaovana hanatanterahana izany sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina Malagasy izay manatanteraka izany.

Coopération fructueuse en la FAO et le MINAE

La #FAO renforce son appui pour le développement du secteur Elevage à Madagascar. Tels sont les mots forts du Représentant Résident de la FAO Mr Mbuli Charles BOLIKO lors sa rencontre avec le Vice Ministre de l’Elevage Dr Raymond le 26 aout 2021 à Ampandrianomby. En effet, la FAO apporte son appui au Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage dans la lutte contre la maladie de la fièvre de la Vallée du rift.

Le ministère mène aujourd’hui une étude dans 15 régions afin de mettre en place une stratégie pour éradiquer la FVR à Madagascar. La FAO fournit les équipements nécessaires pour la collecte des échantillons et leurs analyses, la collecte des données et le renforcement de capacité des agents au niveau national. Selon le Représentant résident, ce n’est qu’une facette des différentes possibilités de coopération avec le Gouvernement Malagasy. A lui d’ajouter que les deux parties ont encore du chemin à parcourir ensemble.

Comments are closed.