Fampiofanana ireo veterinera ho fitandrovana ny fahasalaman’ ny biby.

Notanterahan’ny MAEP amin’ ny alalan’ ny SLDV tany Morondava faritra Menabe ny 29 jona 2021 hatramin’ ny 02 jolay 2021 ny atrikasa fampiofanana veterinera avy ao amin’ ny faritra 5 dia Bongolava, Itasy, Vakinakaratra, Melaky ary Menabe.Nifantoka tamin’ ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ireo veterinera amin’ ny fanangonana, fitehirizana ary fandefasana santionana lio(prélèvement) izay alefa any amin’ ny laboratoara na eto an-toerana any ivelany ny fiofanana.

Tafiditra ao anatin’ ny fanatanterahana ny tetikasa STOSAR izay fampiharana ny politikam-paritry ny SADC ho fampandrosoana ny fambolena sy ny fiompiana ity atrikasa fampiofanana ity izay vatsian’ny vondrona europeanina vola amin’ ny alalan’ ny FAO, ary mifanandrify tanteraka amin’ ny velirano faha sivy amin’ ny fanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo amin’ ny alalan’ ny fanatsarana ny fomba famokarana sy ny vokatra.

Tanjona amin’ izany fiofanana izany ny ahazoana santionana lio azo trandrahana araka ny tokony ho izy no tonga any amin’ ny laboratoara veterinera ary ho haingana sy azo antoka ny voka-pitiliana.Tsy latsa-danja amin’ izany ihany koa ny ahafahana manome vokatra tsara kalitao sy mamaly ny filan’ ny tsena anaty sy ivelany, ny fanatsarana ny fiaraha-miasan’ ireo veterinera sy ny laboratoara veterinera ary ny fanamafisana ny fahamailona manoloana ny aretimbiby avy any ivelany sy ny valiny vonjy taitra ara-pahasalamana eto Madagasikara.

Aretina telo no voakasik’ity fiofanana ity dia ny “fièvre aphteuse” ny peste des petits ruminants, ary ny gripam-borona (grippe avière).Marihina fa mbola tsy tonga eto madagasikara ireo aretina ireo koa ilaina ny miomana sy mailo ho fiarovana ny biby eto amintsika.

Savaranonandro ihany izao atrikasa fiofanana izao satria mbola hisy ny fiofanana hafa izay ho tanterahana any amin’ny faritra Atsinanana sy Diana amin’ity taona ity.

Former les vétérinaires afin de prévenir les maladies animales transfrontalières.

Le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) via le Service du Laboratoire Nationale de Diagnostic Vétérinaire (SLDV) a organisé un atelier de formation de vétérinaire du 29 juin 2021 au 02 juillet 2021 à Morondava, Région Menabe. L’atelier de formation portait sur le renforcement de capacité de 25 vétérinaires sanitaires issus de 5 régions dont la région Bongolava Itasy, Vakinakaratra Melaky et Menabe sur la collecte, le stockage et l’envoi des prélèvements effectués sur les animaux vers les laboratoires locales ou à l’étranger.

Financé par l’Union européenne à travers la FAO, l’atelier s’inscrit dans le cadre du projet (STOSAR) Soutien à la mise en œuvre de la Politique Agricole Régionale (PAR) de la SADC, qui met l’accent sur l’amélioration de l’accès aux marchés par la mise en œuvre de stratégies de lutte contre les parasites et les maladies des plantes et animaux aux niveaux régionales.

Il vise à renforcer la capacité des vétérinaires nationaux afin d’assurer que les prélèvements effectués auprès des animaux soient exploitables, de garantir la rapidité des collectes des envois et des analyses de prélèvements pour certifier la fiabilité des résultats et leurs diffusions et surtout favoriser l’accès aux marchés internationaux des produits d’origine animale malgaches.

La formation concerne trois maladies : la fièvre aphteuse, la peste des petits ruminants et la grippe aviaire, des maladies auxquelles Madagascar en est encore indemne. Aussi il est important selon le Chef de service de la SLDV pour les vétérinaires malgaches d’acquérir toutes les compétences nécessaires afin de renforcer la vigilance vis-à-vis des maladies animales transfrontalières et de développer d’avantage la préparation d’urgence sanitaire du pays. La formation s’est divisée en deux parties, une partie théorique et une partie pratique où les vétérinaires se sont exercés sur les méthodes de prélèvement sur les animaux A l’issue de la formation les vétérinaires maîtrisent les différents protocoles de collecte de stockage et d’envoi de prélèvements et ont une meilleure connaissance des échantillons à prélever de chaque maladie animale et des suspicions sur terrain.

Pour cette année, le MAEP prévoient d’organisée d’autres sessions de formation dans la région Atsinanana et la région Diana.

Retour

Comments are closed.