« Titre vert » ho fampanànan’asa ny tanora : notoloran’ny Filoham-pirenena ny taratasim-bola mitentina 5 milliara ariary mahery

0

4 may 2021.   Velirano efa nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny hizara tany farafahakeliny iray hectara ho an’ireo tanora tena vonona hamokatra. Erin-taona latsaka taorian’ny fampahafantarana nataony momba ny tetik’asa Titre Vert tao Antsirabe, dia hiroso amin’ny fametrahana ireo tanora ireo eo amin’ny tany natokana ho an’izany ny Fanjakana ary notolorana azy ireo ny famatsiam-bola hanatanterahan’izy ireo ny tetik’asany.

Miisa 133 ireo tanora atao hoe « Jeunes Entrepreneurs Modernes » na (JEM) hisitraka ny Titre Vert ao Antsirabe amin’ity andiany voalohany ity, rehefa avy nandalo sivana sy fampiofanana samihafa. Anio 4 mey 2021 no notoloran’ny Filoham-pirenena azy ireo tsirairay ny taratasim-bola mitentina 38 570 000 ar hoentin’izy ireo manatanteraka ny tetik’asany eo amin’ny tanim-panjakana. Notolorana azy ireo koa ireo fitaovana sy hanam-pamokarana maro ary napetraka ny tsatobato ho fanorenana ny trano fonenana sy tranom-biby. Teo amin’ny tanin’ny Fifamanor Andranomanelatra no nanatanterahana izany lanonana izany. Ny Fifamanor moa dia rafitra mijoro eo anivon’ny MAEP izay hametraka ao Antsirabe ny « Centre d’Agribusiness (CABIZ) », anatin’ny tetik’asa Agriculture modernisée iantsorohan’ny Ministera.

Tanim-panjakana mirefy 133 ha no nohajarian’ny Fanjakana ahafahan’ireo tanora mivelona sady mamokatra (agriculture intensive) ka voatsinjara toy izao izany :

  • Andranomanelatra Ambatolahinirina : 10 ha
  • Andranomanelatra Samiadala : 31 ha
  • Andranomanelatra Anosimboahangy 62 ha
  • Antsoatany : 40 ha

Ankoatra ny tany dia hisitraka foto-drafitr’asa maro izy ireo toy ny foto-drafitr’asa famatsian-drano (dispositif de forage), ny trano fonenana mendrika, ary ny toeram-pambolena sy fiompiana. Ao koa ireo fampiofanana ara-teknika sy ara-pitantanana samihafa hahatonga azy ireo ho mpandraharaha matihanina amin’ny asa famokarana ataon’izy ireo ka ho fanoitra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Fiompiana ombivavy be ronono sy famokarana vilona Juncao, fiompiana kisoa, akoho amam-borona ary fambolena misy lalam-barotra mazava toy ny katsaka sy ny soja no sehatr’asa anohànan’ny Fitondram-panjakana azy ireo anatin’ny Titre vert izay tanterahina ao Vakinankaratra.

« Tsy eo Vakinankaratra irery fa manerana an’i Madagasikara ny tetik’asa Titre vert », hoy ny Minisitry ny fambolena, fiompiana ary ny jono. Tany mirefy 22 000 ha no atokan’ny Fanjakana hositrahan’ny tanora mpandraharaha miisa 1 000 isam-paritra anatin’ity tetik’asa goavana ho famoronana asa ity, araky ny voarakitra ao anatin’ny Politika Ankampoben’ny Fanjakana sy ny IEM.

Ny Ministeran’ny fambolena, fiompiana ary ny jono miaraka amin’ireo sampandraharaha sy tetik’asa miankina aminy, ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, ny Ministera lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny fandaharan’asa Fihariana, ireo Governora isam-paritra ary ny BNI Madagasikara no mpiara-miombon’antoka amin’ny tetik’asa Titre vert.

Leave A Reply