Ady amin’ny kolikoly ho fanatsarana ny tontolon’ny famokarana

Ho fanatanterahana ny vinan’ny governemanta amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, ny Transparency International_Initiative Madagascar (TIIM) dia nahazo famatsiambola avy amin’ ny GIZ amin’ny alàlan’ny tetikasa “Fanatsarana ny tontolon’ny asa amin’ny rojom-pihariana  “Jono nentim-paharazana » any amin’ny faritra Androy sy Anosy sy ny rojom-pihariana” dipoavatra, kafe, vanilla -jirofo “any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tanjon’ ny tetikasa ny hanatsarana ny tontolon’ny asa amin’ny ady amin’ny kolikoly amin’ireo rojom-pihariana ireo.

Taorian’ny atrikasa sy ny fanadihadiana natao teny ifotony no nahafahana namoaka ireo mety ho endrika kolikoly eo amin’ireo rojom-pihariana  ireo, ka anisan’ny kolikoly mateti-pitranga ny fanararaotam-pahefana, ny fanodikodinam-bola, ny fizahan-tavan’olona, ny fanambarana diso, ny fanaovana tsolotra. Ireo mpisehatra eny ifotony rehetra manomboka amin’ny mpanjono, mpanangona, mpivarotra ambongadiny, mpamboly hatramin’ny mpandraharaha isan-tsokajiny ary koa ny mpikarakarana antontan-taratasy dia voan’ny kolikoly avokoa.

Tolo-kevitra mifototra amin’ny fepetra 4 no naroson’ny TIIM hiadiana amin’ny kolikoly amin’ireo rojom-pihariana ireo, anisan’izany ny fahamarinana, ny fandraisana andraikitra, ny mangarahara ary ny fandraisana anjara. Ny fanentanana ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra, ny fametrahana na ny famelomana indray ireo boaty fitarainana ary ny fampiasana komity iraisana amin’ny fikirakirana ny fitarainana isaky ny ambaratonga miditra an-tsehatra dia ilaina noho izany.

Ho an’ny MAEP, ny fanamafisana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ireo asa mifandraika amin’ny jono horatsimba sy ny famokarana kafe, dipoavatra, jirofo ary lavanila amin’ny alalan’ny karapamokarna matihanina dia ny  karatra mpanjono, karatra mpivarotra trondro, kara-pambolena, karatra mpanangom-bokatra no asa lehibe atao.

Ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny MAEP sy ny Transparency International amin’ny ady atao amin’ny kolikoly dia hitohy ary ity fiaraha-miasa ity dia nomarihina tamin’ny fanolorana antontan-taratasy ho an’ny DGPA, BEMANAJA Etienne, izay mandrafitra ny politika anatiny amin’ny ady amin’ny kolikoly.

Ny atrikasa fanehoana ny fanadihadiana hamaritana ny mety hisian’ny kolikoly amin’ny rojom-pihariana jono eo amin’ny horatsimba sy ny rojom-pihariana famokarana kafe, dipoavatra, jirofo ary lavanila dia natao ny 19 martsa 2021 tao Panorama Andrainarivo.

Lutte contre la corruption pour l’amélioration du climat des affaires

Dans la contribution de la concrétisation de la volonté du gouvernement dans le renforcement de la lutte contre la corruption, le Transparency International_Initiative Madagascar (TIIM) a bénéficié d’ un financement de la GIZ à travers le projet « amélioration du climat des affaires dans les chaînes de valeur « Pêche traditionnelle » dans la région Androy et Anosy et  « poivre, café, girofle-vanille » dans la région Atsimo Andrefana. Le projet vise à améliorer le climat des affaires à travers la lutte contre la corruption dans ces chaines de valeurs.

Les ateliers et les enquêtes menées ont permis de réaliser une étude pour identifier les risques de corruption dans ces chaines de valeurs dont les risques de corruption les plus courants sont l’abus de pouvoir, le trafic d’influence, le favoritisme, le détournement des biens, la fausse déclaration, le paiement d’une prime d’accélération et les pots-de-vin. Tous les acteurs de base depuis les pêcheurs, les collecteurs, les mareyeurs, les planteurs jusqu’aux agents administratifs à différentes échelles, ainsi que des éléments des forces de l’ordre sont touchés par la corruption.

Des recommandations basées sur 4 principes ont été proposé par le TIIM pour lutter contre la corruption dans ces chaines des valeurs dont l’intégrité, la redevabilité, la transparence et la participation. Une sensibilisation en lutte contre la corruption au niveau de toutes les parties prenantes, la mise en place ou la redynamisation des boites de doléances et l’opérationnalisation d’un comité mixte pour le traitement des doléances à chaque échelle d’intervention sont primordiales.

Pour le MAEP, le renforcement de la gestion et le suivi des activités liées à la pêche langoustières et à la production du café, du poivre, girofle et vanille par la carte pêcheur, carte mareyeur, carte planteur, carte collecteur, carte d’identité professionnelle sont les principaux actes prises. Le renforcement de collaboration entre le MAEP et le transparency International dans la lutte contre la corruption va se continuer et cette coopération a été marquée par la remise des documents à la DGPA constituant les politiques internes dans la lutte contre la corruption.

L’atelier de restitution nationale des résultats de ce projet s’est tenu le 19 mars 2021 au Panorama Andrainarivo.

Retour

Comments are closed.