Fanjarian-tsakafo ao amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana: hanomboka ny tetikasa MAHARO

Olona miisa 276 398 avy amin’ny tokantrano 55 880 isa sokajiana ho tena marefo ao amin’ny distrikan’ny Beloha sy Tsihombe, faritra Androy syny distrikan’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana no hisitraka ny Tetikasa MAHARO, haharitra 5 taona, izay mitentina 36 tapitrisa dolara, famatsiam-bolan’ny governemanta amerika USAID/Food For Peace amin’ny alalan’ny CRS (Catholic Relief Service).

Hojeren’ny tetikasa manokana ireo vehivavy bevoka sy mampinono sy ireo tokantrano tena sahirana tantanan’olon-tokana nefa mamelona olona maro ary ny tanora 10-30 taona.

Tanjon’ny tetikasa MAHARO ny hampihena ny tsy fanjariantsakafo ao amin’ireo distrika ireo. Ka mpamokatra 25 600 sy mpanjono 2100 ary mpiompy 31 580 no hahazo tohana eo amin’ny sehatrasany avy.

Comments are closed.