Sahandriaka voaaro, antoky ny fampitomboana ny vokatra.

Maro ireo voka-dratsy ateraky ny fahasimban’ny tontolo iainana ary anisan’ny mizaka izany voalohany ny tantsaha mpamboly. Nanatanteraka fambolen-kazo miisa 4000 (acacia sy eucalyptus) tamin’ny velaran-tany mirefy 2.5ha ny Foiben’ny Sampandraharaha misahana ny fambolena na DGA eo anivon’ny MAEP sy ireo tetikasa ary fandaharanasa eo ambany fiahiany miaraka amin’ireo vondron’olona eny ifotony, ny 05 Martsa 2021 tao Ambolotara, Fokontany Andrainarivo, Kaominina Ambinanindovoka, Distrikan’ Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony.

 Nofidiana manokana ity toerana ity noho ny fisian’ny fotodrafitrasam-pamokarana lehibe izay najarian’ny fitondram-panjakana dia ny tohadranon’i Vohitsambo sy ny lakandrano mirefy 77km, izay manondraka lemaka mirefy 650ha ao anatin’ny kaominina 3 dia Ambohimahamanina, Ambinanindovoka ary Anjoma, ka mamelona tokantrano mihoatra ny 2000 isa. Marihana fa anisan’ny lemaka lehibe indrindra ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny lemak’i Vohitsambo.

Ny zava-misy anefa dia : tototry ny fasika sy atsanga ny lakandrano ka misy ireo tantsaha afaka mamokatra in-2 toy ny aty ambony toerana nefa ny any ambany kosa zara raha mahavita indray mandeha ao anatin’ny taona noho ny tsy fahampian’ny rano ; tototry ny fasika entin’ny riaka ihany koa ny tanimbary ka mihena ny velaran-tany azo  ambolena; ary ritra ny loharano.

Ka natao ny fambolen-kazo tao Ambolotara entina hiarovana ny tontolo iainana sy hiadiana amin’ ny fiovaovan’ny toetrandro, hiarovana ny sahandriaka amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofontany ary hiarovana ireo lemaka sy fotodrafitrasa izay nandaniana vola ny fanajariana azy amin’ny atsanga sy ny fasika. Tanjona ny hampitombo ny vokatra ka ahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Retour

Comments are closed.