Ho voarindra tsara kokoa ny famokarana noho ny fisian’ny hotline 321

Iray amin’ireo sehatra ara-toe-karena tena voakasiky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fambolena. Misy fikorontanana ny toetr’andro ka misy fiantraikany amin’ny famokarana izany. Vokatr’izany dia mandalo fahasahiranana ireo tantsaha amin’ny fitantanana ny fandaharam-potoana izay miha-mikorontana  hatrany. Miha tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro ny voly atao. Ary ny tsy fahampian’ny fahalalana amin’ny fahafaha-mampifanaraka ny rafitry ny famokarana dia miteraka fihenan’ny famokarana sy ny vola miditra ho an’ny mpamokatra.

Mba hamerana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny famokarana sy ny fambolena dia nisy ny fanolorana tetiandrom-mpambolena mifanaraka amin’ny mety ho fiovaovan’ny toetr’andro, nataon’ireo teknisiana sy mpikaroka avy ao amin’ny DGM, MAEP ary FOFIFA izay iaraha-miasa amin’ny PRADA sy VIAMO tao anatin’ny 4 taona izay. Avaozina isan-taona izany tetiandro izany.

Tanjona amin’ny fananganana izany tetiandro izany ny  hamaliana ny filàn’ireo mpamboly mba hahafahany mandray fanapahan-kevitra amin’ny fambolena izay ataony. Ahitana torohay momba ny voly vary anaty rano, ny katsaka, ny voanjo, ny sakamalao ary ny tsaramaso ao anatin’izany tetiandro izany. Miova isaky  ny faritra ny seha-pihariana.

Hita ao amin’ny laharana 321 amin’ny tambajotra airtel ny tetiandrom-pambolena nanomboka ny volana jolay 2019. Amin’ny alalan’ny hafatra ara-peo ataon’ireo izay miantso dia misy ny fizarana torohevitra momba ny fambolena sy ny toetr’andro ary ny fomba fanao mahomby izay miova isam-bolana ary ho an’ny faritra rehetra erak’i Madagasikara. Azo jerena amin’ny fotoana rehetra ny torohay amin’ny alalan’ny hafatra ara-peo ka maimaim-poana ny saran’ny antso atao in-enina ao anatin’ny ray volana ho an’izany mampiasa ny airtel. Misy sarany toy ny mahazatra kosa ho an’ireo mampiasa tambajotra hafa amin’ny fiantsoana ny laharana 033 33 00 321.

Ho fanohizany ny fiaraha-miasa hentina hanatsarana ny fahafahan’ireo mpamokatra mandrindra ny asa famokarana hifanaraka amin’ny toetr’andro sy ho fanamorana ny fampitam-baovao momba izany dia nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa momba ny tetiandrom-pambolena teo amin’ny Foibem-pamatarana ny toetr’andro, ny MAEP, ny Ministeran’ny fikarohana siantifika amin’ny alalan’ny FOFIFA, ny orinasa VIAMO izay mikarakara ny fifandraisana amin’ny alalan’ny finday, ny 2 martsa 2021 teny amin’ny foibem-pamatarana ny toetr’andro Ampasapito

L’un des secteurs économiques les plus touchés par les variabilités climatiques est l’agriculture où les conditions agro-climatiques sont bouleversées, ayant des répercussions sur la production. En effet, les agriculteurs éprouvent de plus en plus de difficultés dans la gestion d’un calendrier de plus en plus perturbé par le changement climatique. Les types de cultures utilisées ne sont pas suffisamment adaptés à la variabilité du climat. Et le manque de connaissance sur les possibilités d’adaptation de leur système de production entraine des baisses de production et de revenus sur les producteurs.

Afin de limiter les impacts du changement climatique sur la production agricole, depuis quelques années, les techniciens et chercheurs de la DGM, du MAEP et du FOFIFA en collaboration avec le PRADA se sont concertés pour proposer des calendriers culturaux adaptés selon les perspectives climatiques.

En effet, ces calendriers culturaux existaient depuis 4 ans. Ils sont actualisés chaque année selon les perspectives climatiques de la saison Chaud et Humide (Octobre – Avril) et les données d’évapotranspiration potentielle (ETP). Ils ont pour objectif de répondre aux besoins et les attentes des cibles qui sont spécialement les agriculteurs pour qu’ils puissent prendre des décisions requises dans l’agriculture. Ces calendriers contiennent des informations sur cinq (05) spéculations dont le riz pluvial sur bas fond et sur plateau, le maïs, l’arachide, le gingembre et l’haricot. Les spéculations varient selon les régions.

Les calendriers culturaux sont disponibles sur la hotline 321 d’Airtel depuis Juillet 2019.       A partir des messages vocaux, ces calendriers offrent aux appelants des conseils agro-météorologiques et des bonnes pratiques qui changent chaque mois et spécifiques pour toutes les régions de Madagascar. Les informations sont disponibles à tout moment et les appels sont gratuits 6 fois par mois pour les abonnés Airtel. Les abonnés d’autres opérateurs auront à composer le 033 33 00 321 et seront facturés en tarif d’appel normal.

Date: 02 mars 2021

Retour

Comments are closed.