Fifanaovan-tsonia teo amin’ny MAEP sy ny “Fondation AXIAN” ary ny Sekoly Ambony mpanofana ho injenieran’ny Fambolena (ESSA) Antananarivo

Tantsaha mpamokatra miisa 3.200 avy amin’ny kaominina 150 ao amin’ny faritra Anosy, Androy, Atsimo atsinanana ary Boeny no hisitraka ny tetikasa fanamafisana ny fanohanana ireo mpamokatra voa mafy tamin’ny valan’aretina COVID 19. Tetikasa izay miopana amin’ny fanampiana ara-teknika sy ara-bola avy amin’ny MAEP sy ny GIZ ka vola mitentina 1.650.000 Euros no omen’ny fitondram-panjakana Alemana amin’izany ary haharitra 12 volana ny tetikasa. Ka ny 76% ny famatsim-bola dia homena mivantana ireo tantsaha, izay tena vonona ny hiotra sy hiroso amin’ny famokarana matianina, amin’ny alalan’ny Dokany Mora ho an’ny Mpamokatra (DMM) ary misy ihany koa ny fandraisana anjaran’izy ireo mba hatsapany fa tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny fanatsarana ny fivelomany izy ireo. Mifantoka amin’ny fiofanana momba ny fitantanana amin’ny lafiny ara-teknika sy ara-bola amin’ny alalan’ny sekoly tantsaha mpandraharaha na Farmer Business School ny tetikasa.

Natao ny fifanaovan-tsonia ny 01 Mars 2021 tao Anosy teo amin’ny MAEP sy ny Fondation AXIAN ary ny Sekoly ambony mpanofana ho injenieran’ny Fambolena (ESSA) Antananarivo izay mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity.   

 Signature des conventions entre MAEP- Fondation AXIAN et MAEP- ESSA

3200 producteurs issus des 150 communes de la region Anosy, Androy, Atsimo, Atsinanana et Boeny vont bénéficier du projet Renforcement de la résilience des producteurs face à la pandémie COVID 19. Un projet initié par le MAEP financé par la coopération Allemande à travers le Projet PRADA (Projet Adaptation des chaines de valeur agricoles au changement de valeur climatique) et le Projet PROSOL (Projet de Protection et réhabilitation des Sols), d’un montant de 1.650.000 Euros. Les 76% du financement seront versés directement aux producteurs qui ont la volonté de devenir des professionnels, par le biais du Dokany Mora ho an’ny Mpamokatra (DMM) et il y aura une contribution des producteurs. Le projet sera axé sur la formation technique et  la gestion financière fournis par le Farmer Business School (FBS).

La signature des conventions entre MAEP et Fondation AXIAN, et entre MAEP et l’Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA) s’est tenue le 01 Mars 2021 à Anosy.

Retour

Comments are closed.