Lalam-pihariana dingadingana: ilaina ny fametrahana rafim-pitantanana mazava.

Ho fampiroboroboana ny lalam-pihariana dingadingana na « Cocombre des mers », izay vokatra ahondrana, dia nisy ny atrikasa fakan-kevitra iraisam-paritra nokarakarain’ ny MAEP tamin’ny alalan’ny tetikasa SWIOFish 2 tany Morondava Faritra Menabe ny 25 febroary 2021.

Tanjona lehibe tamin’ izany ny famolavolana sy fandrafetana paikady sy sori-dalana hampiharin’ ireo mpisehatra rehetra ao amin’ ny lalam-pihariana dingadingana ao amin’ ny Faritra Androy, Atsimo Andrefana, Melaky ary Menabe.

Anisan’ ny tsirin-kevitra navoitran’ ireo mpandray anjara rehetra ny fanitsiana ireo lalàna mifehy ny fitrandrahana ny dingadingana, ny fijerena ireo vahaolana hafa akoatry ny fanondranana ny vokatra azo, ny fametrahana ireo rafim-pitantanana mazava eo amin’ ny fitrandrahana ny dingadingana, ny fampiroboroboana ny fiompiana dingadingana ny fametrahana toby fanatodizana ao amin’ ireo faritra efatra ireo ary ny fananganana ny vovonana ho an’ ny lalam-pihariana dingadingana.

Tanjona ny ahafahana mametraka ny fitrandrahana sy fitantanana maharitra sy lovain-jafy ireo harena an-dranomasina. Marihina fa efa nisy ny atrikasa fakan-kevitra toy izao izay notanterahina tany amin’ ny faritra avaratry ny Nosy ny faran’ ny taona 2020.

Ala honko, fototry ny harena an-dranomasina.

Taorian’ ny atrikasa dia niara-nientana ihany koa ireo mpiasan’ ny MAEP tamin’ ny alalan’ny DGPA na ny foibem-pitondrana misahana ny jono sy ny harena anaty rano, niaraka tamin’ny tetikasa Swiofish 2 sy ireo vondron’ olona eny ifotony nanatanteraka fambolena honko tao amin’ ny fokontany Kimony , CR Bemanonga, faritra Menabe, ny 26 febroary 2021.

Laharam-pahamehana ny fambolena honko ho an’ny MAEP noho ny anjara toerany lehibe eo amin’ny harena anaty rano ka zanaka honko miisa 50 000 no novolena tamin’ ny velarantany mirefy 5 Ha. Nandritra io fotoana io dia tsy nitsahatra nanentana ireo mponina teny ifotony ireo tompon’andraikitry ny MAEP momba ny maha zava-dehibe ny fiarovana sy ny fisian’ny ala honko izay anisan’ny miantoka ny foto-piveloman’ireo mponina ao amin’ny fokontanin’ ny Kimony izay miankina tanteraka amin’ny fitrandrahana hazandrano.

Tanjon’ ny MAEP sy ny tetikasa SWIOfish 2 eo ambany fiahiany ny hamboly sy hamerina ala honko manodidina ny 10 000 ha amin’ ity taona 2021 ity ka manentana ihany koa ireo faritra hafa hanatanteraka hetsika toy izao.

Filière holothurie : il est nécessaire de mettre en place une structure de gestion

Afin de promouvoir la filière holothurie à Madagascar, le MAEP par le biais du projet SWIOFish 2 ont organisé un atelier de concertation pour le développement de la filière holothurie à Morondava, Région Menabe le 25 février 2021.

Cet atelier de concertation avait pour objectif de mettre en place un plan d’action et une stratégie communs pour les acteurs de la filière holothurie dans quatre régions du sud et sud-ouest de Madagascar dont la région Androy, Atsimo Andrefana, Melaky et Menabe.

De nombreux points ont étés abordés et discutés par les participants pour ne citer que la mise à jour ou l’actualisation de la législation relative à l’exploitation de l’holothurie, la recherche d’alternative à l’exportation du produit, le développement de l’ holoturiculture, la mise en place d’ écloserie dans les quatre régions et la mise en place d’ une structure de gestion pour la filière. En effet,  les participants se sont également mis d’ accord sur la nécessité de mettre en place une plateforme nationale pour la filière holothurie à Madagascar.

Il est à noter qu’un atelier de concertation a déjà été organisé pour les acteurs de la région du nord de l’Iles et bientôt un atelier national sera organisé pour la mise en place d’une plateforme nationale. Ces initiatives interviennent dans le cadre d’une exploitation et une gestion durable et responsable  des ressources halieutiques.

Préserver et rétablir les forêts de mangroves

La DGPA du MAEP a également profité de cette occasion pour effectuer un reboisement de mangrove  dans le Fokontany de Kimony, CR de Bemanonga, région Menabe, le 26 février 2021.

50

50 000 propagules ont été plantées par les représentants du MAEP centrale, les personnels de la DRAEP Menabe et les communautés locales de base  sur une superficie de 5 Ha. A cette occasion, les responsables de la DGPA n’ont cessé  de sensibiliser la population locale sur l’importance des forêts de mangrove par rapport à la conservation de la biodiversité,  par rapport à leurs moyens de subsistance car  la communauté de Kimony est entièrement dépendante à l’exploitation des ressources halieutiques.

L’objectif du MAEP et du projet SWIOfish 2 qui est sous sa tutelle est de rétablir et préserver environ 10 000 ha de mangroves pour cette  année 2021. Aussi, le MAEP  encourage fortement les autres régions à effectuer d’autres reboisements de mangrove.

Retour

Comments are closed.