Avaozina sy hatsaraina ny lalàna mifehy ny tontolon’ny veterinera eto Madagasikara

Lalàna telo no ho dinihina ao anatin’ny atrikasa izay karakarain’ny MAEP amin’ny alalan’ny DSV, miaraka amin’ny « Bureau Inter-Ressources Animales » atao ao amin’ny Colbert Antaninarenina ny 18-19 febroary 2021,  dia ny lalàna mifehy ny fikarakarana ny tontolon’ny biby na ny “bien-être animal”, ny lalàna mahakasika ny “traçabilité des petits ruminants” ary ny lalàna mamaritra ny fanaraha-maso ny aretin’ny biby eto Madagasikara.

Zava-dehibe ny fananàna ireo lalàna ireo satria miankina betsaka amin’izany ny fanatsaràna ny vokatry ny fiompiana sy ny fampiroboroboana ny fiompiana amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Ny fisian’ny lalàna mifehy ny tontolon’ny fikarakarana ny biby n any “bien-être animale” ihany koa dia isany ahafahantsika mampiroborobo ny vokatra na eo amin’ny isa na eo amin’ny kalitao tadiavina, indrindra entina iarovana ny biby amin’ny fampiasana azy ireo mihoatra ny tokony ho zakany sy ny hanatsara ny tontolony.

Lalàna mifehy ny “traçabilité des petits ruminants

Ny lalàna mifehy ny “traçabilité des petits ruminants” dia isan’ny fepetra iray takiana amin’ny fanamorana ny varotra indrindra ny fanondranana hena sy biby velona; manamora ihany koa ny fanaraha-maso ny fahasalamn’ny biby, ary amin’ny fahazoantsika ny “statut indemne de la fièvre aphteuse et pestes des petits ruminants” any amin’ny OIE.

Mahakasika ny lalàna mifehy ny fanaraha-maso ny fahasalamn’ny biby na “surveillance des maladies animales” kosa dia ilaina amin’ny famaritana mazava ny sokajin’andraikitra isan’ambaratongany amin’ny fanaraha-maso ny fahasalamn’ny biby mba hahafahana mametraa paik’ady ifehezana ny aretina misy.

Mandritra ny atrikasa dia ny hevitry ny mpisehatra (mpiompy veterinera, injienera, ny mpanampy ny veterinera) izay mahita sy miaina ny zava-misy iainany no hamolavola sy hanatsara ireo tolo-dalàna. Izany no natao dia mba ahazoana lalàna mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ireo mpisehatra sy lalàna afaka ampiarina araka ny toe-java-misy eto Madagasikara.

——————————————————-

Trois textes seront révisés durant l’atelier de consultation des parties prenantes pour la révision de la législation vétérinaire à Madagascar, un atelier organisé par le MAEP à travers le DSV en partenariat avec le Bureau Inter-Ressources –Union Africaine, au Colbert Antaninarenina le 18-19 février 2021, dont les décrets relatifs au « bien-être » animale, à la traçabilité des petits ruminants et à la « surveillance des maladies animales ».

La mise en place de ces cadres règlementaires est essentielle pour garantir l’amélioration de la production et le développement de l’Elevage à Madagascar. Le bien-être animal est un élément indispensable des programmes visant à améliorer la santé animale et à augmenter la production tant qu’en qualité. Le texte régissant le bien-être animal permet également de protéger les animaux contre l’utilisation abusive et d’améliorer leur condition de vie.

Le texte régissant la traçabilité des petits ruminants

Le texte régissant la traçabilité des petits ruminants est un des éléments exigés pour faciliter les échanges commerciaux notamment l’exportation  de viandes et d’animaux vivants. IL facilite également la surveillance des maladies animales en nous permettant de maintenir les statuts indemnes de la fièvre aphteuse et des pestes des petits ruminants, délivrés par l’organisation mondiale de la santé animale ou OIE.

En ce qui concerne le texte régissant la surveillance des maladies, il nous est indispensable d’en avoir pour mieux définir les rôles des acteurs, de l’amont en aval du système de surveillance afin de mettre en place les stratégies de prévention et de lutte contre les maladies existantes.

Durant l’atelier, les avis de tous les acteurs du secteur élevage tels que les éleveurs, vétérinaires, ingénieurs, para-vétérinaires qui sont sur les terrains sont cruciaux pour obtenir des textes règlementaires suivant le cadre contextuel du pays et applicables par tous les acteurs concernés.

Retour

Comments are closed.