Antso vonjy taitra ho an’ny Faritra Atsimon’ny Nosy

Loharanom-bola fanampiny mitentina 75,9tapitrisa dolara no hanaovana antso vonjy taitra ho an’ny Faritra Atsimon’ny Nosy amin’ny ady amin’ny kere, ka hiantsoana ireo rehetra misehatra amin’ny ara-tsosialy izay ahitana ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, ny Croix Rouge, ny vondrona tsy miankina rehetra hanampy ny Governemanta Malagasy.

Olona miisa 1,11tapitrisa no hovonjena amin’izany ka ankizy miisa 300 000 izay tratran’ny tsy fanjarin-tsakafo amin’ireo dia latsaky ny 5 taona. Tanjona ny hanatsara ireo fepetra ny fiahiana ara-pahasalamana ho azy  ireo toy ny fanomezana rano fisotro madio, famatsian-drano tsitaitaika ho an’ny voly legioma izay iombonan’ny olona miisa 420 500  tena marefo. Ny  MAEP manokana dia efa manana ny paikady efa napetrany hamonjena ireo tratran’ny Kere any Atsimo ireo toy ny fanomezana masomboly katsaka sy sorgo ary tahona mangahazo sy fitaovam-pamokarana entina miasa. Ny18 janoary 2021 no nanantaterahana izany tao amin’ny hotely Carlton Anosy.

Olona miisa 230.000 no hahazo fitsaboana fototra maimaimpoana ary vehivavy bevohoka miisa 23.822 ihany koa no hahazo fanohanana ara-pahasalamana noho ny fahamehana mba hisorohana ny fitomboan’ny taham-pahafatesanan’ny reny eo am-piterahana sy ny zaza vao teraka izay antony nanaovana ity antso vonjy taitra ity. Miisa 11 900 ihany koa ireo olona iharan’ny herisetra toy ny vehivavy sy ny ankizy izay ampahafantarina ny lalàna sy ny zon’izy ireo ary ny fikarakarana ara-pitsaboana sy ara-tsaina. Ho fanampin’izay, mpianatra miisa 150 000 no hahazo sakafo any an-tsekoly hatramin’ny faran’ny taom-pianarana 2020-2021. Olona miisa 220 000 izay iharan’ny olana isan-karazany amin’ny fiahiana ny maha izy azy ihany koa no ho raisina an-tanana ka hohamafisina ny fandrindrana efa misy eny anivon’izy ireo.

« Flash Appel » pour le grand Sud de Madagascar

Le lancement du « Flash Appel » ou Appel Éclair d’un montant de 75.9 millions de Dollars a eu lieu le 18 janvier 2021 au Carlton Anosy. Des ressources additionnelles qui vont aider l’Équipe Humanitaire Pays (HTC) composé des agences des Nations Unies à Madagascar, du mouvement de la Croix Rouge et des Organisations non gouvernementales à contribuer aux priorités du gouvernement et accompagner le plan de réponse national à la situation humanitaire dans le Grand Sud de Madagascar.

Cet appel Éclair permettra d’améliorer les conditions de sécurité alimentaire de 1.11 millions de personnes dont 300.000 enfants de moins de 5 ans en situation de malnutrition aiguë. Elle permettra également, de fournir un accès à l’eau potable et la diffusion de système de micro irrigation goutte à goutte pour jardin potager communautaire de 420.500 personnes les plus vulnérables. Le MAEP en particulier a déjà mis en place une stratégie pour secourir les victimes du « Kere » dans le Sud tels que la dotation des semences de maïs, de sorgho, des boutures de manioc et des petits matériels agricoles.

L’appel éclair permettra d’assurer la disponibilité gratuite des services des soins de base pour 230.000 personnes et une assistance médicale en urgent pour 23.822 femmes enceintes afin de prévenir le risque de surmortalité maternelle et néonatale, 11.900 survivantes de Violence Basée sur le Genre pour qu’elles aient accès à des informations sur leurs droits et une prise en charge médicale ou psychosociale, judiciaire. Par ailleurs, cet appel Éclair permettra également de fournir une alimentation scolaire pour 150.000 élèves jusqu’à la fin de l’année scolaire 2020-2021. Enfin, 220.000 personnes exposées à différents problèmes de protection seront prises en charge et la coordination opérationnelle de la réponse sur le terrain sera renforcée.

Retour

Comments are closed.