Tanora tohanan’ny FORMAPROD: miroborobo ny famokarany

Taorian’ny fifaninanana fanatanterahana tetik’asa nokarakarain’ny CRFAR Analamanga izay tohanan’ny fandaharanasa FORMAPROD, nandraisan’ireo tanora nahazo tohana sy tsy nahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa FORMAPROD anjara, sy ny sekoly miankina sy tsy miankina ary ny fampiofanana nataon’ireo mpampiofana voafantina nandritra ny taona 2019, dia niroso tamin’ny fizarana ny loka sy ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mendrika ny Formaprod ny 28 desambra 2020, tao amin’ny La Residence Ankerana.

Tanora misehatra eo amin’ny fiompiana omby vavy be Ronono, akoho gasy, tantely, trondro, akoho fakana nofo no nanao ny fifaninana. Tanora mpiompy tantely avy ao Andramasina no nahazo ny laharana voalohany ka notolorana 1 000 000 ariary. Raha renintantely iray no nentiny nanomboka ny tetikasany dia efa manana tranon-tantely 120 isa izy amin’izao fotoana izao. Mpampiofana mendrika avy ao Andramasina kosa no notolorana ny mari-pankasitrahana, noho ny kalitaon’ny fiofanana izay nomeny ireo mpiofana sy ny fahaizany mampita izany, ka fampitaovana mitentina 1 000 000 ariary no loka natolotra azy. Fampitaovana mitentina 3 000 000 indray kosa no natolotra ny EPP mangamila izay sekoly nahazo ny laharana voalohany tamin’izany. Ary tanora misehatra amin’ny lalam-pihariana fiompiana akoho fakana nofo no nahazo ny laharana voalohany tamin’ireo mbola tsy nahazo tohana ka nomena fampitaovana mitentina 1 500 000 ariary.

Mbola hitohy hatrany ny fifaninana mba entina hameloma-maso indray ny fambolena sy ny fiompiana, sy ho fanomezan-danja ny famokarana eny ambanivohitra ary ho famporisihana ny tanora hanatanteraka ny tetikasany.

————————————————————————-

Suite au concours de mise en œuvre de projet organisé par le CRFAR Analamanga financé par le programme FORMAPROD, dans lequel des jeunes soutenus et non soutenus par le programme FORMAPROD ainsi que des écoles privées et publiques ont participé,et aussi après les formations réalisées par des formateurs sélectionnés pour 2019, le programme FOR MAPROD a procédé à la remise des lots et des certificats aux meilleurs, le 28 décembre 2020.

Des jeunes œuvrant dans la filière vache laitière, de poulet gasy, de poulet de chair, de l’apiculture, de la pisciculture et de poulet de chair ont participé au concours.

Un jeune apiculteur déjà soutenu par FORMAPROD venant d’Andramasina a remporté la première place et a gagné 1 000 000 d’ariary. Ainsi, un tuteur qualifié d’Andramasina pareillement, a reçu un appui de 1 000 000 ariary en équipement. Une somme de 3.000.000 d’ariary a été également offerte à l’EPP de Mangamila qui était l’école gagnant au concours. Un équipement d’une valeur de 1 500.000 ariary a été également remis au jeune gagnant venant d’Ambohidratrimo qui n’avait pas encore soutenu par le FORMAPROD mais qui ont participé au concours et bien réalisé à terme son projet.

L’organisation du concours se poursuivra dans le but de revitaliser le secteur agriculture et élevage, de promouvoir la production rurale et d’encourager les jeunes à réaliser leurs projets d’encourager les jeunes à réaliser leurs projets.

Retour

Comments are closed.