Fametrahana ny Paikady Nationaly hoan’ ny fampiroboroboana ny famokarana Biolojika

Tafiditra ao anatin’ ny Paikadin’ ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fampiroboroboana ny vokatra manan-danja eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany. Anisan’ izany ny vokatra eo amin ny lalam-pihariana biolojika izay manomboka mahazo vahana  eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ho an’ i Madagasikara dia  Manodidina ny 120 tapitrisa dolara eo ho eo ny vola hampidirin’ny famokarana biolojika ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.

Zava-dehibe ho an’ny MAEP noho izany ny fampiroboroboana ny famokarana biolojika. Rehefa tafapetraka ny lalàna mifehy izany famokarana bilojika izany (Lalàna 2020/003) ny volana jolay 2020 dia niroso tamin’ny fananganana ny Paikady Nasionaly hoan’ny famokarana bilojika (SNABIO) ny MAEP sy ny tetikasa CASEF izay novolavolain’ ny CIRAD. Notanterahina ny 22 desambra 2020 tao amin’ny hotely ‘Le Pavé’  Antaninarenina, ny atrikasa fanehona sy fakankevitra momba izany.

Tonga nanatrika ny atrikasa ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono, RANARIVELO Lucien, niaraka tamin’ ireo solotenan’ny mpisehatra rehetra eo amin ny famokarana biolojika  izay nitondra hevitra mety ho fanatsarana izany paikady izany. Nohamafisin’ Atoa Ministra nandritra io fotoana io ny maha zava-dehibe ny famokarana biolojika eo amin’ ny fikajina ny fahasalaman’ ny mpanjifa sy ny tontolo iainana ary koa ny fametrahana “label bio” ho an’ireo vokatra biolojika eto Madagasikara ireo. 

Marihina moa fa aharitra 10 taona eo ny faharetan’ izany paikady nationaly izany.

La SNABIO pour le développement de la filière bio à Madagascar !

Dans le cadre  de la Politique Générale de l’Etat sur l’autosuffisance alimentaire et l’accès  des produits à haute valeur ajoutée aux marchés nationaux et internationaux, le MAEP avec ses partenaires se sont engagés dans la mise en place d’un environnement favorable à l’agriculture biologique. En effet, l’agriculture biologique constitue aujourd’hui  une importante source de rentrée de devises pour le pays elle représente à elle seule 120 millions de dollars.

Suite à la mise en place d’une règlementation (loi 2020/003) sur l’agriculture biologique au mois de juillet 2020, le MAEP avec l’appui financier du projet CASEF a mandaté le CIRAD pour élaborer une Stratégie Nationale de Développement de l’Agriculture Biologique à Madagascar (SNABIO). La SNABIO sert de document cadre pour le développement et la promotion de la filière Bio à Madagascar. Elle a été présentée aux différents acteurs et  partenaires de la filière, le 22 décembre 2020 à l’hôtel Le Pavé Antaninarenina.

La SNABIO d’une durée de 10 ans repose sur 4 axes la gouvernance, la mesure de soutiens au développement de l’agriculture biologique, la communication et la sensibilisation et l’appui conseil et recherche. Le Ministre chargé de l’agriculture de l’élevage et de la pêche Monsieur RANARIVELO Lucien a honoré de sa présence cet atelier de restitution de la SNABIO et n’a pas manqué de rappeler l’importance et l’enjeu de l’agriculture bio  sur la santé humaine et la préservation de l’environnement ainsi que la nécessité de mettre en place un label bio Malagasy.

Comments are closed.