Fizarana zana-trondro tao Ambatolampy Tsimahafotsy

Mpampatavy trondro anaty fefy mitsingevana miisa 14 avy ao amin’ny Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy no nisitraka zana-trondro Tilapia 15.000 avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ny Zoma 11 Desambra 2020. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Ministera amin’ny fanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy fampiroboroboana ny sehatry ny jono eto Madagasikara izany. Milanja 20g ireo zana-trondro ary mahazo ny habe « fingerlings » vao azo alatsaka sy atavezina ao anaty fefy izay misy efitrefitra 8 hatramin’ny 12 mahazaka zana-trondro 2.500 eo eo. 5 hatramin’ny 6 volana dia efa lehibe ny trondro raha 8 hatramin’ny 10 volana izany teo aloha ary mahatratra hatramin’ny 5T 700 ny vokatra azo. Nozaraina zana-trondro 1.000 ihany koa ireo mpiompy trondro amin’ny dobo.

Faritra 5 no efa nanaparitahana ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana dia ny faritra Analamanga, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, SAVA ary Itasy. Manala fahasahiranana ireo mpiompy izao hetsika ataon’ny Ministera izao satria sarotra ny mahita zana-trondro sy manalehibe azy ireny hahazo ny habe « fingerlings » hoy ny mpiompy.

Dotation d’alevins à Ambatolampy Tsimahafotsy 

Dans le cadre du développement de la pisciculture, 14 éleveurs de poissons en cage dans la Commune d’Ambatolampy Tsimahafotsy ont bénéficiée de 15.000 alevins Tilapia du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêché le Vendredi 11 Décembre 2020 à travers la Direction du Développement Aquaculture. Afin d’atteindre l’autosuffisance alimentaire et l’émergence de la production halieutique moderne. L’élevage des poissons en cage est une technique pratiquée dans 5 régions de Madagascar dont Analamanga, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, SAVA et Itasy, qui consiste en un élevage de poissons dans un milieu confiné s’avérant plus efficace par unité de surface tant pour les dépenses en temps qu’en effort. Les alevins de 20g ayant la taille « fingerlings » vont être placées dans une clôture contenant 8 à 12 cages pouvant contenir 2.500 alevins environ. Cet appui provenant du MAEP encourage les éleveurs puisqu’au bout de 5 à 6 mois, ils peuvent obtenir des poissons de 250g a 350g si auparavant cela durait entre 8 à 10 mois. La production peut atteindre jusqu’à 5T 700. 1.000 alevins ont également été distribué aux éleveurs de poissons dans les étangs.

Retour

Comments are closed.