Ireo teboka sy lalan-tsaina ho fanatsarana ny lalam-pihariana jono

 Ho fampahafantarana ny paikady sy ny rindrandamina entina hitantanana sy ho fampidiram-bola maharitra ho an’ny firenena ary harena ho lovain-jafy ny lalam-pihariana jono eto Madagasikara dia nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Lucien RANARIVELO sy ny tale jeneralin’ny jono , BEMANAJA Etienne, ny 25 septembra tao Ampandrinomby.

Teboka sy lalan-tsaina maro  mifandraika amin’izany indrindra no noresahana. Anisan’izany ny fanatsarana ny fampidiram-bola. latsaka avo 5 heny ny vola miditra amin’ny jono ho  an’i Madagasikara raha ampitahana amin’i Seychelles satria 8 miliara Ariary monja ny vola niditra na 6 tapitrisa dolara tao anatin’ny 5 taona raha 30 tapitrisa Euro ny vola ampidirin’ny  jono lamatra ao anatin’ny 5 taona ho an’ ny nosy Seychelles.

Voaresaka tao koa ny fampidirana sy fampidinana na “debarquement” an-tanety ny vokatra azo avy amin’ny jono an-dranomasina rehetra ao anatin’ny faritr’i Madagasikara satria hita fa manao fampilazana fotsiny ny mpiantsambo sy ny mpanjono fa tsy misy ny porofo

Mba hiarovana ny sisin-dranomasina dia misy ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny fanjonoana amin’ny alalan’ny fametrahana paik’ady vaovao izay iarahana amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena.

 Hampiroboroboana ny jono manerana ny nosy amin’ny alalan’ny fanomezana tohana ny mpanjono madinika sy ny mpanjono salatsalany toy ny lakana, ny salotraina. Paik’ady lehibe iarahana amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ihany koa ny fiarovana ny harenan-dranomasina manoloana ireo mpanjono mpijirika.

 Ankoatr’izay zava-dehibe ny fametrahana foto-drafitrasa  na “seranana”. Mba tsy ho lany tamingana sy ho lovain-jafy ny harena an-dranomasina ka hapetraka ny fetran’isa na “quota” ho an’ireo hazandrano be mpitrandraka .

Hamafisina ny fametrahana lamina mazava sy mangarahara hitantanana ny jono toy ny  fanomezan-dalana ho an’ny mpanjono, fanomezan-dalana ho an’ny mpanangom-bokatra ary indrindra ny tsy maintsy hambolena ala honko.

Hamporisihana ihany koa ny fampiasam-bola amin’ny fananganana foto-drafitrasa entina anodinana ny vokatra. Tsy maintsy  havaozina tanteraka  ihany koa ny fifanarahana eo amin’ny firenena Malagasy sy ireo firenena na vondrona firenena hafa. Tamin’ny taona 2006 no nisy ny fanavaozana ka noho izany dia mila mijery fifanarahana eo amin’ny jono mba hisian’ny tombontsoa lehibe ho an’ny besinimaro. Ireo rehetra ireo no hatao dia ny hananana tahirim-bola mba ahafahana mampandroso ny firenena.

Tsiahivina fa manana sisin-dranomasina mirefy 5000 km i Madagasikara ary manana fari-dranomasina azo hanjonoana hatramin’ny 1140.000 km2.

Points saillants de la pêche et de l’aquaculture à Madagascar

Le Ministre de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche Lucien RANARIVELO et le Directeur Général de la Pêche et de l’Aquaculture BEMANAJA Etienne ont tenu un point de presse le 25 Septembre à Ampandrianomby. L’objectif était de communiquer les stratégies du ministère pour la bonne gouvernance du secteur pêche pour qu’elle soit une ressource durable et efficiente.

A Madagascar, les revenus de la pêche sont 5 fois inférieurs à ceux de Seychelles car en 2018, la recette n’était que 6 millions de Dollars en 5 ans tandis que Seychelles a eu 30 millions d’Euros en 5 ans pour la pêche thonière. Ainsi, le débarquement et le déchargement à terre de tous les produits de la pêche dans la zone économique exclusive de Madagascar sont importants car les produits doivent être contrôlés et vérifiés  par les responsables pour éviter les fausses déclarations et les pratiques illicites.

 

Pour la sécurisation des zones de pêche malgache, il y a un renforcement du contrôle des pêches grâce à une nouvelle stratégie en collaboration avec le ministère de la Défense. La professionnalisation des petits pêcheurs et des pêcheurs artisanaux font parties des actions prioritaires du programme de mise en œuvre de la politique général de l’Etat à travers la dotation d’équipement aux normes et standards de sécurité.  Pour la durabilité des ressources halieutiques, la construction  d’infrastructure  ou  port est aussi important ainsi que la mise en place d’un système quota pour les pêches à grande échelle. Le renforcement de la transparence dans la délivrance des permis de collecte et licences de pêche basée sur les potentialités des ressources ciblées est nécessaire pour la bonne gouvernance de pêche. L’investissement dans la construction d’infrastructures pour la transformation des produits est aussi a encouragé. L’accord entre la nation malgache et d’autres pays ou groupes doit également être entièrement renouvelé. Les rénovations ont eu lieu en 2006 et nous devons donc examiner l’accord de pêche pour le plus grand bien du public.

A rappeler que Madagascar dispose près de 5000km de côtes et de 1.140.000 km2 de zone de pêche dans sa zone économique exclusive(ZEE).

Retour

Comments are closed.