Andro iraisam-pirenena ho an’ny ronono taona 2020

« Ronono ho an’ny rehetra, loharanon’ny fahasalamana » io no lohahevitra nentina nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ronono ny 10 jona 2020. Manoloana indrindra ny fiadiana amin’ny valan’aretina COVID 19 izao , ny MAEP dia nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanomezana sakafo be otrikaina ho an’ireo be antitra sy ireo vehivavy ary ireo olona marefo. Ronono sy vokatra vita avy amin’ny ronono miisa 1100 no nozaraina teny amin’ny toby AKAMASOA Andralanitra sy teny amin’ny Akany fitaizana be antitra na Foyer de vie Andrainarivo. Manan-danja eo amin’ny fahasalamana ny ronono satria sakafo mahavelona , manome hery sy tanjaka ary manampy amin’ny hery fiarovana.

Amin’ny ankapobeny dia ronono 30litatra isaky ny olona isan-taona no tokony ho sotroina kanefa raha ny eto Madagasikara dia 5 litatra monja izany. Araka izany dia nanao fanentanana ny tale kabinetran’ny MAEP, RAMAROSON Lova fa « ny vahoaka salama no afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoan ny firenena  ka hamporisihana ary isika  hisotro ronono sy  hihinana vokatra betsaka vita avy amin’ny ronono  ahafahantsika mapitombo ny hery fiarovanamba hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo».

Maro ny paik’ady entin’ny MAEP ho fampiroboroboana ny famokarana ronono toy ny famporisihana ny malagasy hisehatra amin’ny omby vavy be ronono; ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny fahasalaman’ny omby (fanapariahana ny vaksiny; ny fanatsarana ny taranak’omby sy ny fampitomboana ny isan’ny omby eto Madagasikara amin’ny alalan’ny teknolojia fampanarahana enti-tanana na natoraly.

Ny MAEP, ny FAO , ny ONN, ny SOCODEVIS, ny SOCOLAIT ary ny fikambanana Dairy Board no niara-nientana tamin’ity fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ronono ity.

Journée mondiale du lait 2020

« Ronono ho an’ny rehetra, loharanon’ny fahasalamana » tel est le slogan choisi pendant la célébration de la journée mondiale du lait le 10 juin 2020. En raison des contraintes liées au COVID 19, le MAEP avec l’appui de la FAO, l’ONN, le SOCODEVIS, le SOCOLAIT et du MDB a distribué aux personnes vulnérables comme les personnes âgées, les mères et les enfants, du lait et des produits dérivés du lait à l’occasion de cette journée. 1100 packs des produits laitiers ont été distribués au centre AKAMASOA Andralanitra et au Foyer de vie Andrainarivo.

En général, la consommation du lait par personne est de 30litres par an dans les pays développés tandis qu’à Madagascar, c’est seulement 5litres. Lors de son discours, le Directeur du cabinet du MAEP, RAMAROSON Lova a affirmé que « seule les personnes saines peuvent participer au développement du pays et je vous encourage à consommer du lait et ses produits dérivés pour   renforcer votre défense immunitaire et lutter ainsi contre la malnutrition ».

Le MAEP a mis en place plusieurs stratégies pour développer la production laitière tels l’incitation des malagasy à investir dans le secteur lait ; le suivi de la santé bovine (la vaccination) et l’amélioration génétique ainsi que l’augmentation des bœufs par le biais de l’insémination artificielle ou naturelle.

Retour

Comments are closed.