08 jona: andro maneran-tany ho an’ny ranomasimbe

« Fanavaozana maharitra  ny ranomasimbe», io no lohahevitra avoitra mandritry ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasim-be amin’ity taona 2020 ity.Manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny fiainan’ny olombelona sy eo amin’ny toe-karenan’i Madagasikara ny ranomasina. Isaky ny 08 jona no fankalazana izany. Fotoana lehibe hitandrovana sy hifiarovana ny ranomasimbe ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasimbe. Tanjona amin’ny fankalazana ny hanentanana ny malagasy amin’ny maha-zava-dehibe ny ranomasina sy ny voka-tsoa entiny. Nisy araka izany ny valan-dresaka notanterahin’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny MAEP, izay notarihin’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Jono, BEMANAJA Etienne, tamin’ny mpanao gazety ho fanamarihana ny fankalazana.

Ampiasaina hifamoivoizana sy hitaterana, ary mirakitra harena maro ny ranomasimbe. Laharam-pahamehana ho an’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny fitantanana maharitra azy sy ny fitandrovana ny zava-manan’aina rehetra ao anatiny. Isan’ny fototra iray mampandroso ny firenena ny fitantanana mahomby sy ara-dalana ireo asa rehetra mahakasika ny ranomasina sy ny ranomasimbe. Fomba nentin’ny MAEP hitantanana sy hitandrovana ny velaran-dranomasin’I Madagasikara moa ny fametrahana ny “économie bleue”, izay hahafahana manana fomba fijery vaovao indray amin’ny fitrandrahana ireo harena an-dranomasina mba hampaharitra azy.

——————————————

« L’innovation pour un océan durable », tel est le thème choisi pour la célébration de la Journée Mondiale de l’Océan pour cette année 2020. L’océan tient un rôle majeur  pour le bien-être de l’humanité, l’équilibre de l’environnement et pour  l’économie de Madagascar. La Journée mondiale des océans qui se déroule le 8 juin de chaque année est l’occasion d’honorer, d’aider à protéger et à conserver l’océan. L’objectif est de sensibiliser la population sur l’importance de la mer et de ses ressources. Ainsi, une conférence de presse, menée par le Directeur Général de la Pêche, BEMANAJA Etienne, a été organisée par le MAEP ce 8 juin pour marquer cette journée.

L’océan est un outil de transport maritime et il constitue amplement des richesses naturelles. La gestion durable et la préservation de la biodiversité et des écosystèmes marins sont des priorités de la Politique Générale de l’État car le développement du pays doit passer par une organisation efficace et intégrée des activités marines et maritimes. L’approche du MAEP dans la gouvernance de notre espace maritime va se reposer sur le concept de l’économie bleue. Ce dernier permettra d’avoir une nouvelle vision de l’exploitation économique des ressources des océans à travers un cadre innovant de l’utilisation rationnelle et durable des ressources naturelles.

Retour

Comments are closed.