Lalàna mifehy ny vokatra biolojika

Nolanian’ireo solombavam-bahoaka ny talata 12 mai 2020 teny amin’ny CCI Ivato ny volavolan-dalàna laharana faha-010/2019 ny 28 novambra 2019 mifehy ny famokarana biolojika eto Madagasikara.

Nambaran’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Lucien RANARIVELO, fa ity lalàna izay nolaniana ity dia entina hiarovana ny seha-pihariana biolojika, ahafahana mampiroborobo ny famokarana biolojika eto Madagasikara sy ahafahan’ ny Malagasy manjifa vokatra tsara kalitao ary indrindra ahafahana manondrana ny vokatra eny amin’ ny tsena iraisam-pirenena izay marihana fa tena mbola malalaka.

Ho an’I Madagasikara dia sehatra mampidi-bola tokoa ny famokarana biolojika. Mitentina eo amin’ ny 110 tapitrisa Euros ny vola ampidiriny amin’ny kitapom-bolam-panjakana isan-taona. Miisa 30 000 ankehitriny ny tantsaha misehatra aminy, kaoperativa 120, orinasa 270 ary velaran-tany 48 000 ha no voamarina fa toerana anaovana ny famokarana biolojika. Efa misy ihany koa ny sendika misahana izany dia ny SYMABIO izay niforona ny taona 2011.

Ny mampiavaka ny fambolena biolojika dia ny kalitaon’ ny vokatra azo sy ny fiarovana ny tontolo iainana noho izy mitazona nofon-tany sy tsy mampiasa akora simika ary tsy mandany rano noho ny fomba fambolena mahazatra.

Voatanisa tao anatin’ ilay lalàna ihany koa ny famaritana ny famokarana biolojika, ireo fitsipi-pifehezana, ny famarotana ny vokatra sy ny fanaraha-maso ny vokatra. Natsangana ihany koa ny kaomity nasionaly misahana ny famokarana biolojika. Ny fambolena, ny fiompina sy ny fiompina anaty rano ary ny fiotazana no voakasiky ny famokarana biolojika.

Une loi pour promouvoir et protéger l’Agriculture Biologique à Madagascar.

Le Projet de loi N°010/2019 du 28 novembre 2019 sur l’Agriculture biologique à Madagascar a été adopté par l’Assemblée nationale le  mardi 12 mai 2020.

Selon le ministre du MAEP RANARIVELO Lucien cette loi a été élaborée afin de protéger la filière Biologique, de  développer et promouvoir l’Agriculture Biologique à Madagascar, de permettre aux consommateurs Malagasy d’accéder à des produits sains et de qualité et surtout de pouvoir exporter des produits labellisés et transformés. Il s’agit d’une opportunité pour les exploitants agricoles et les opérateurs Malagasy car c’est un secteur en pleine expansion au niveau mondial.

En effet L’agriculture biologique constitue aujourd’hui une importante source de rentrée de devises pour le pays ; 110 millions d’euro. Il  implique près de 30 000 producteurs, 120 coopératives, 270 entreprises, et compte près de 48 000 Ha de zones certifiées bio. Il  bénéficie également  d’une représentation professionnelle, le Syndicat Malgache d’Agriculture Biologique (SYMABIO), créé en 2011.

L’Agriculture biologique met l’accent sur la qualité des produits et le respect de l’environnement.  Il permet de préserver les sols et les nappes phréatiques par le fait de ne pas  utiliser des intrants chimiques. – L’agriculture biologique consomme moins d’eau et d’énergie que l’agriculture dite “conventionnelle

Cette loi sur l’Agriculture biologique porte sur la définition et les principes généraux de l’agriculture biologique à Madagascar, son champ d’application, les conditions de mise sur le marché des produits, le système d’évaluation de la conformité des produits et les infractions y afférentes. Cette loi met également en place la Commission nationale de l’Agriculture biologique en définissant sa composition et ses missions. L’agriculture biologique concerne l’agriculture, l’élevage, l’aquaculture, ainsi que la récolte des produits.

Retour

Comments are closed.