Nisitraka fitaovana sy fiofanana ireo andriamasom-pokonolona sy mpiandry vavasaha ao amin’ny Faritra SAVA.

Fitaovana miisa 2000 izay ahitana torche, kiririoka, aro orana, cahier de contrôle no nozaraina ireo andrimaso-pokonolona sy mpiandry vavasaha tao amin’ny faritra SAVA. Ankoatr’izay dia nahazo fiofana ihany koa izy ireo amin’ny fomba fijerena na matoy na tsia ny lavanila, sy ny fampiasana ny carnet planteur narahaina fizarana carte planteur izany. Tanjona amin’izany ny ahatsara ny kalitaon’ny lavanila amin’ity taona ity ary hanafoana ny halatra izay efa mirongotra be.

Raha tsiahivina dia 700T ny vokatra vanille tao amin’ny Faritra SAVA tamin’iny taona 2019 iny ka ny 200T no naondrana fa ny 500T mbola voatahiry eto Madagasikara. Ny kaominina Ambatojoby sy Bemaneva no tena mpamokatra lavanila ao amin’ny faritra.

Antenaina fa hiakatra any amin’ny 50% ny vokatra @ ity taom-pambolena manaraka ity noho ny toetr’andro mifanaraka tsara amin’ny voly sy ny fanamafisana ny ady hiarana amin’ireo rantsa-mangaika rehetra toy ny Fokotany sy ny miaramila eo amin’ny Faritra.

2000 kits ont été distribués au « andriamasom-pokonolona » et gardien des champs de vanille de la Région de SAVA.

Dans le but d’améliorer la qualité de la vanille cette année et dans la lutte contre le vol qui sévit dans la région, 2000 kits munis de torche, sifflet, imperméable et cahier de contrôle ont été distribués au « andriamasom-pokonolona » et gardien des champs de vanille de la Région de SAVA. Ils ont également reçu une formation sur la façon de déterminer si la vanille arrive à maturité et sur l’utilisation d’un carnet planteur qui leur est aussi offert.

En effet, la production de vanille pour la région de SAVA était de 700T pour l’année 2019 dont 200T exportes et 500T sont toujours emmagasinées à Madagascar. Les communes Ambatojoby et Bemaneva sont les principaux producteurs de la région.

Une augmentation de 50% de la production est envisagée pour la prochaine campagne en raison du climat favorable et de l’intensification de la lutte contre le vol de vanille.

Retour

Comments are closed.