Fambolen-kazo mahomby, miaro ny tontolo iainana.

Ho fanatrarana ny vinan’ ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina amin’ ny fandrakofana ala ny Nosy, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo, amin’ ny velaratany 40 000 ha isan-taona, dia nanatanteraka ny fambolen-kazo ny fianakaviamben’ ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono (MAEP)  ny asabotsy 29 février 2020 teny amin’ ny Fokontany Fonenana CR Imerintsiatosika .Zanakazo «Acacia Mangium » miisa 2300 no novolena teo amin’ velarantany 2.7 Ha izay natokana ho an’ ny MAEP tamin’io fotoana io. Natao izany hetsika izany mba hiarovana ny tontolo iainana sy hanamaivanana ny tsindrin’ ny fiovaovan’ ny toetry ny andro. Marihina fa efa ho telo taona izao no nanaovan’ny MAEP ny fambolen-kazo teo amin’io toerana io ka nahatratra 80% ny tahan’ny fahombiazana tamin’izany.

Le reboisement réussie, solution contre la dégradation des ressources naturelles.

Afin de contribuer à l’objectif du Président de la République de Madagascar SEM Andry RAJOELINA de reverdir Madagascar et reboiser près de 40 000 ha de superficie par an, la grande famille du Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche mené par son Ministre RANARIVELO Lucien a effectué son reboisement le 29 février 2020, dans le Fokontany de Fonenana CR Imerintsiatosika. A cette occasion 2300 jeunes plants d’Acacia Mangium ont été mis en terre sur une superficie de  2.7 ha allouée au MAEP. Cette noble activité contribue à atténuer les effets du changement climatique et à lutter contre la dégradation des ressources naturelles à Madagascar. Notons que le MAEP a effectué son reboisement au même endroit depuis trois ans avec un taux de réussite satisfaisant de 80%.

Retour

Comments are closed.