ASH : hametraka fomba fiasa mahomby sy maharitra

Fandrindrana ireo fomba fiasa rehetra, fametrahana fomba fiasa mahomby sy maharitra, fanamafisana ny fomba fanjohina ny vokatra azo avy amin’ ny jono sy ny fiompina anaty rano malagasy, ary fanatsarana ny serasera sy  fifandraisan’ ny mpiasa rehetra, ireo no toro-lalana lehibe nisongadina nandritra ny fivoriam-be nasionaly izay fanaon’ ny ASH na « Sampan-draharaha miandraikitra ny fahasalamana sy kalitaon’ ny vokatra avy amin’ ny jono sy ny fiompina anaty rano » isan- taona,  notanterahina ny 11 hatramin’ ny 15 febroary 2020  tany Morondava.

Anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara ny fananany ireo harenan-dranomasina maro isan-karazany izay mampitombo ny lazany sy ny  toe-karena ao aminy. Ny ankamaroan’ny mpanjifa vahiny ohatra dia tena mankafy izany nohon’ny hatsaran’ny kalitaon’izany vokatra izany .

Antoka ahazoana izany kalitaon’ ny vokatra izany ny fisian’ny ASH izay sampan-draharaha eo ambanin’ ny fiahian’ ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono , misahana ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny biby anaty rano ary  ny  kalitaon’ireo vokatra ireo izay ankatoavanin’ ny vondrona eropeanina.

Mitaky  fandrindrana sy  fahaiza-manao  arak’izany ny fanaraha-maso ireny vokatra ireny koa izany no antony lehibe nanatanterahina ny fivorianam-be nasionaly izay fanao isan-taona. Tanjon’ ny ASH amin’ izany ny fametrahana sy fampitana ireo toro-lalana rehetra ho an’ ny mpiasa ary indrindra ny hanatsara ny  fifandraisana sy ny serasera eo amin’ ny mpiara-miasa.

Nofaranana tamin’ny fambolen-kazo moa ny fihaonana ka teny amin’ny “allée des baobabs” no nanantanterahana izany. Zana-kazo miisa 750 no novolena  ary niaraha-niasa tamin’ny fikambanan’ny vondrona tsy miankina FANAMBY , ny DRAEP Menabe ary ny DREDD Menabe.

ASH : Mettre en place une démarche qualité et une coordination efficiente des activités

Les produits halieutiques et aquacoles font partie des principaux  produits les plus exportés par Madagascar. Ils sont généralement prisés et appréciés à l’extérieur grâce à leur qualité. L’ASH (Autorité Sanitaire Halieutique) placée sous la  tutelle du ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche est l’autorité compétente chargée du contrôle officiel de la qualité sanitaire des produits.

L’ASH a pour mission d’effectuer les contrôles sanitaires durant le processus de production. Elle est aussi chargée de l’élaboration de la réglementation des filières du secteur en matière de sécurité sanitaire ainsi que de sa mise en œuvre. Elle est le garant de la qualité sanitaire des produits Malagasy. Jusqu’à aujourd’hui elle obtient la reconnaissance de l’Union Européenne en termes de certification des produits halieutiques.

Le maintien de la qualité des produits halieutiques exige de la part des autorités et  une coordination efficiente  des activités. Ainsi l’ASH a effectué une réunion annuelle qui s’est déroulée à Morondava du 11 au 15 février 2019. Cette  réunion avait  pour objectif principale de transmettre au personnel d’appuis et aux partenaires techniques la vision et les objectifs de l’ASH pour cette année 2020. L’harmonisation des directives, l’harmonisation des procédures, la mise en place d’une démarche qualité ainsi que le renforcement du système de traçabilité des produits sont les grands sujets qui ont été abordés durant la réunion.

La réunion avait également comme objectif d’améliorer la relation humaine et favoriser un climat de convivialité entre les personnels d’appuis. Pour terminer cette réunion annuelle le personnel de l’ASH en partenariat avec l’ONG Fanamby, la DRAEP Menabe et de la DREDD Menabe ont effectué un reboisement sur le site touristique de l’Allée des baobabs. L’Objectif est de contribuer à la restauration du site qui subit actuellement de nombreuses pressions.

Retour

Comments are closed.