Hitombo ny voka-bary ao Ilaka centre

Hiakatra avo roa heny  ny voka-barin’ireo tokantrano 173 ao anatin’ny Fikambanana FIRAISANTSOA, Kaominina Ilaka Centre, Distrikan’Ambositra , Faritra Amoron’i  Mania noho ny fahavitan’ny toho-dranon’Analalehibe sy ny lakandrano mirefy 5km izay manondraka lemaka 180Ha satria teo aloha dia niankina tanteraka tamin’ny ranon’orana izy ireo. Ny MAEP tamin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS no nanatanteraka ny asa izay mitentina 131.451.331Ariary. Ny 10 Febroary no nanatanterahina  ny fandraisana vonjimaika an’ity toho-dranon’Analalehibe ity. Izany no natao dia hampitomboana ny voka-bary ka hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay voalaza ao amin’ny veliranao faha-9 ny Filoha. Marihina fa nihena ny vokatra teo aloha vokatry ny faharatsian’ny foto-drafitrasa ara-pambolena izay manondraka tanimbary.

Misy ihany koa ny velaran-tany izay ho hajariana ao amin’ny Kaominina Ihadilalana, ahitana ny toho-dranon’ Ampitsinjovamborona ary ahafahana mamboly vary in-droa isan-taona. Tanjon’ny fandaharanasa DEFIS ny hanajary velaran-tany 8000Ha ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, Matsiatra ambony ary Ihorombe sy hanamboatra toho-drano miisa 41. Ankoatra ireo dia hisy ihany koa ny fametrahana trano fitehirizam-bokatra iraisana na GCV mba hifehezana ny vidim-bokatra. Manohana ireo tantsaha amin’ny alalan’ny fametrahana saha sekoly ihany koa izy mba ampiharana ny teknikam-pambolena ary mamatsy fitaovana, hanam-pamokarana sy masomboly amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny FDA.

 

Doublement de la production à Ilaka Centre

Un doublement de  production sera perçu par les 173 menages de l’association FIRAISANTSOA, de la commune d’Ilaka Centre, District d’Ambositra , Région Amoron’i Mania par le biais de la réhabilitation du barrage d’Analalehibe et de canaux d’irrigation de 5km de long. En effet, la culture dépendait de l’eau de pluie auparavant. Ce barrage d’un montant de 131.451.331Ariary qui irrigue un périmètre de 180Ha, a été réalisé par DEFIS, un programme sous-tutelle de MAEP. La réception provisoire a eu lieu le 10 Février  à Ikianja. L’objectif est d’augmenter la production du riz afin d’atteindre l’autosuffisance alimentaire titulé dans le velirano n°9.

Dans la commune Ihadilalana, avec le barrage d’Ampitsinjovamborona une superficie de 2000Ha serait aménagée avec possibilité de deux campagnes rizicoles par an. Le programme DEFIS a pour objectif d’aménager 8000Ha de périmètres dans les Régions Amoron’i Mania, Haute Matsiatra ,Ihorombe et de construire 41 barrages. De plus, des greniers communautaires villageois ou GCV est prévu pour stabiliser le prix de riz. Afin d’assurer une augmentation de la production suivant les techniques, le programme a mis en place des champs écoles paysans  a apporté des matériels agricoles, des intrants et semences en collaboration avec le FDA .

Retour

Comments are closed.