Ady amin’ ny jono tsy ara-dalàna: mitaky ny fiaraha-miasan’ ireo sampan-draharaha rehetra.

Iray amin’ireo firenena 64 maneran-tany niara nanao sonia amin’ny ady atao amin’ny fanjonoana an-dranomasina tsy ara-dalàna i Madagasikara  hatramin’ny volana mars 2017, izay nidirany tao amin’ny Fifanarahana mahakasika ny fepetra amin’ ny fitantanan’ny Fanjakana ny seranan-tsambo na « Accord relatif aux Mesures du ressort de l’Etat du Port (AMEP) ».

Mbola maro anefa ireo tranga na fandikan-dalàna hita ataon’ireo mpisehatra ao anatin’ny fanjonoana an-dranomasina. Manodidina ny 23 lavitrisa dolara isan-taona ny vola very amin’ny fanaovana jono tsy ara-dalàna, izay mampihena ny vola tokony hiditra ao anatinin’ny kitapom-bolam-panjakana.

Araka izany, nisy ny « Atrikasa Nasionaly iraisan’ireo sehatr’asa sy fikambanana  misehatra ao anatin’ny jono an-dranomasina» ny 28 hatramin’ny 30 janoary 2020, teny amin’ny Hotel Havana RESORT, Ambohidahy, izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Fambolena, sy Fiompiana ary ny Jono(MAEP) sy ny fikambanana Stop Illegal Fishing  ho fanamafisana sy fanatanterahana ny ady hatao amin’izay fanjonoana sy fanakanana ireo trondro azo tamin’ny tsy ara-dàlana eo amin’ny seranan-tsambon’i Madagasikara izay

Nandritra ny atrikasa no nisian’ny  fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo mpizaika  ho fametrahana ny drafitrasa nationaly sy ny paikady amin’ny fanatanterahana ny AMEP. Nisy iany koa ny fametrahana tambazotran- tserasera teo amin’ ny mpisehatra sy sampandraharaha rehetra hahafahana mifandray haingana sy mifampizara vaovao. Zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ireo sampandraharaha ireo amin’ny fandrindrana ny  (Accord  sur les Mesures  du ressort de l’Etat du Port). Tanjona amin’ izany moa ny fanakanana ireo trondro azo tamin’ny tsy ara-dàlana hiditra eo amin’ny seranan-tsambo, ny fiarovana ireo harena andranomasina Malagasy ary ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary ireo.

Eliminer la pêche illégale à Madagascar.

Soucieuse de protéger  ses ressources halieutiques, l’Etat Malagasy a depuis des années combattu contre la Pêche Illégale, Non déclarée et Non réglementée (INN). Afin de renforcer la lutte contre la pêche INN, Madagascar  a adhéré le 27 mars 2017 à l’Accord sur les Mesures du Ressort de l’Etat du Port (AMEP). Le pays  fait partie aujourd’hui des 64 pays signataires de cet accord.

L’Accord relatif aux mesures du ressort de l’État du port est le premier accord international contraignant à cibler spécifiquement la pêche illicite, non déclarée et non réglementée (INN). Son objectif est de prévenir, contrecarrer et éliminer la pêche INN en empêchant les navires engagés dans la pêche INN d’utiliser les ports et de débarquer leurs captures. En effet La Pêche INN représente un fléau qui menace les moyens de subsistance, exacerbe la pauvreté et sape l’insécurité alimentaire.

 La mise en œuvre efficace du PSMA contribue donc à la conservation à long terme et à l’utilisation durable des ressources marines vivantes et des écosystèmes marins. Les dispositions de l’AMEP s’appliquent aux navires de pêche qui cherchent à entrer dans un port désigné d’un État différent de leur État de pavillon.

Il est donc nécessaire que les agences et institutions travaillent et communiquent ensemble. C’est dans ce contexte que le MAEP et les institutions réglementant la pêche à Madagascar avec le soutien de l’organisation Stop Illegal Fishing, se sont réunis pendant 3 jours du 28 au 30 janvier 2020 à l’Hôtel HAVANA Resort, Ambohidahy pour établir un plan d’action pour la mise en œuvre des mesures de l’Etat du Port à Madagascar. L’ouverture et la mise en place d’un réseau de communication entre les agences et institutions ainsi que les mesures contre les opérateurs effectuant des pêches INN ont été au cœur de l’atelier, aspects importants pour mettre fin à la pêche illégale, garantir la sécurité de ceux qui travaillent en mer et protéger la zone économique exclusive de Madagascar.

Retour

Comments are closed.