MAEP manohana ireo sehatra tsy miankina ho fampiroboroboana ny fandraharahana ara-pamokarana

Anisan’ny tanjona  apetraky ny MAEP sy ny fitondram-panjakana ny famporisihana ireo sehatra tsy miankina handray anjara feno amin’ny fanatrarana ny veliranon’ny filohan’ny Repoblika malagasy  dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Mandray anjara feno amin’ny fampiroboroboana ny tangorom-pamokarana  sy ny famokarana araham-piaraha-miasa eto Madagasikara ny sehatra tsy miankina ka manampy tosika azy ireny ny MAEP.

Araka izany dia nisy ny fanasoniavana fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP), sy ny sehatra tsy miankina orinasa SOMIA (Société Malgache d’Industrie et de la Pêche) SA et SLAMI (Société Agricole Minière et Industrielle) SA, ao anatin’ny vondrona AKESSON, orinasa misehatra amin’ny famokarana vary, katsaka, kafé ary cacao ny Alakamisy 16 janoary 2020 tao Anosy. Natao izao fifanekem-piaraha-miasa izao mba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny fampiasam-bola ara-pamokarana, ny fanodinana ary ny fivarotana ireo vokatra ara-pamokarana miaraka amin’ireo mpisehatra eny ifotony na miankina izany na tsy miankina.

Tohana ataon’ny MAEP

Anisan’ny asa sahanin’ny MAEP mandritry ny fiaraha-miasa ny hanamora ny fametrahana ireo orinasa ireo any amin’ny faritra hiasany indrindra any amin’ny faritra Avaratra-Andrefanan’i Madagasikara sy ny faritr’i Manakara ary ireo faritra vaovao mamokatra izay atolotry ny MAEP. Hamoraina ihany koa ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra eny ifotony ary mandray anjara amin’ny fanamorana ny fampidirana ireo fitaovana sy hanam-pamokarana sy ny fomba ahafahana manondrana ireo vokatra vokarin’ny vondrona AKESSON ny MAEP.

Manankery mandritry ny 3 taona ity fifanekem-piaraha-miasa ity manomboka ny andron’ny fifanaovan-tsonia.

—————————-

Appui des secteurs privés par le MAEP pour la promotion de l’Agribusiness

La mobilisation des acteurs privés pour financer l’Agriculture est un des objectifs du MAEP afin de faire émerger un secteur agricole basé sur l’agriculture commerciale et atteindre « l’autosuffisance alimentaire ».  C’est dans ce cadre que s’inscrit la signature d’un mémorandum d’entente le 16 janvier 2020 à Anosy sur le renforcement de la coopération entre le MAEP et les sociétés SOMIA SA et SLAMI S.A du groupe AKESSON,  sociétés spécialisées dans les filières riz, maïs, café et cacao. Sachant que le secteur privé contribue pleinement à la promotion de l’agribusiness et de l’agriculture contractuelle à Madagascar,  le MAEP à travers ses directions  concernées apporte des appuis à ces secteurs.

Le présent mémorandum a pour objet de définir le cadre de la coopération entre les deux entités en matière d’investissement agricole concernant la production, la transformation et la commercialisation des produits agricoles, ainsi que toutes activités connexes en partenariat avec les acteurs locaux que ce soit publics ou privés.

Créer un écosystème favorable au secteur privé

Dans cette coopération, le MAEP s’engage à faciliter notamment l’installation des sociétés du groupe dans leurs zones d’intervention (dans le Nord-Ouest et à Manakara ainsi que dans d’autres nouvelles zones potentielles) et leurs mise en relation avec les acteurs locaux ainsi que les procédures d’importation (des matériels, des équipements et des intrants agricoles) et d’exportation des produits du groupe AKESSON.

Ce mémorandum est valable pour une durée de 3 ans à compter de la date de sa signature.

Retour

Comments are closed.