Tafajoro ny Labatoara manara-penitra ao Tsiroanomandidy

Ho fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, dia tafatsangana ny #labatoara manara-penitra  ao amin’ ny Fokontany Andrefan’ny gara,Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono no nanangana ny foto-drafitrasa tamin’ ny alalan’ny #Tahirim_bola ho an’ny fiompiana na ny FEL. Notanterahina ny 30 desambra 2019 ny fandraisana  vonjimaika ny asa .Mahazaka biby toy ny omby, ondry, osy hatramin’ny 75 isa isan’andro ity labatoara ity. Izany no natao dia ny hanatsarana ny kalitaon’ ny hena sy ny hifehezana ny fivezivezen’ny omby makany amin’ny labatoara.

Amin’ny taona 2020 no hapetraka ny fitaovana toy ny «dispositif de traitement », ny efitra fampangatsiahana, «ny parc d’attente » sy ny  vala ijoroan’ny omby alohan’ny hamonoana azy. Telo volana no nanantaterahana ny asa. Ho eritreretina hatao fitaratra eto Madagasikara  ity foto-drafitrasa ity ary hapetraka isam-paritra.

Ankoatra ny  fananganana foto-drafitrasa, ny FEL  dia #fitaovana famatsiam-bola eo  anivon’ny   Ministera, manampy amin’ny vonjy taitra, ary manohana ihany koa ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny lafin’ny fiompiana.

Abattoir aux normes à Tsiroanomandidy

Pour la réalisation du promesse présidentielle, un #abattoir aux normes a été mise en place par le MAEP à travers le #Fonds de l’Elevage (FEL) dans le  Fokontany Andrefan’ny Gara,Tsiroanomandidy , Région Bongolava. La réception provisoire de cet abattoir, qui a une capacité de 75 têtes de bœufs, de moutons, de chèvres par jour  s’est tenue le 30 décembre 2019. L’objectif est d’améliorer la #qualité de viande et de maitriser la circulation des #bœufs vers l’abattoir.

Les dispositifs de traitement, la chambre froide, le parc d’attente et le parc de stabulation seront mises en place en 2020. Cet abattoir est une référence à Madagascar et par tous les Chefs-lieux de District.

A part la construction d’infrastructures, FEL est un outil de financement au sein du ministère, il intervient aussi dans les cas d’urgence et appuie tous les acteurs du secteur d’élevage.

#labatoara #abattoir#Fonds de l’Elevage#qualité de viande#qualité de viande#bœufs

Retour

Comments are closed.