FDA : manatsara hatrany ny fomba fiasany

Notanterahina ny Alatsinainy 16 desambra 2019  tao amin’ny Panorama ny atrikasa fanehoana ny fanadihadiana izay natao teo anivon’ny FDA (Fond de Développement Agricole) tao anatin’ny tetikasa PAPAM. Ny FDA moa dia singa iray ao anatin’izany tetikasa izany. Tanjona tamin’ny fanaovana izao fanadihadiana izao ny hanatsaràna sy hanabeazana voa ny fomba fiasa rehetra eo anivon’ny FDA, ny hiatrehana ny ho avy rehetra ary hahatonga azy ho tena fitaovana entina hanohanana ireo mpamokatra, sy hanatanterahana ny politikam-pampandrosoan’ny MAEP dia ny fahavitan-tena aratsakafo.

Lafiny maro no nojerena tamin’ny fanadihadiana toy ny fivoaran’ny asan’ny FDA, amin’ny maha singa iray azy ao anatin’ny tetikasa, ny fizotry ny fitantanana amin’ny ankapobeny, ny fampitaovana ho enti-miasa, ny ara-teknika, ny ara-bola ary ny mpiasa. Tamin’izany no hita fa misy ireo vokatra tsara efa voaray fa mbola misy ihany koa ny ezaka izay tokony hatao. Misy teboka vitsivitsy izay ilàna fandinihana sy fifanakalozan-kevitra iarahana amin’ny Ministera sy ireo mpahazo tombontsoa ary ireo mpiara-miombon’antoka.

Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny FDA manomboka eto (i) ny fametrahana mazava ny andraikitry ny Komitim-paritra mpanorolalana sy mpiahy ara-tsosialy, rafitra iray eny anivon’ny faritra izay manapa-kevitra amin’ny fanomezana famatsiam-bola ho an’ny mpamokatra eny anivon’ny faritra, ary ihany koa (ii) ny tokony ho fomba fiasan’ny FDA ao anatin’ny paik’ady fanomezana tao-draharaha ho an’ny mpamokatra na ny “stratégie de service aux agriculteurs”.

————————————-

FDA : les méthodologies de travail améliorés

L’atelier de présentation des résultats de l’audit technique d’évaluation à mi-parcours de FDA au niveau du projet PAPAM s’est tenu le lundi 16 décembre 2019 au Panorama. Rappelons que le FDA est une composante de ce projet. L’objectif de l’étude et de l’audit était d’améliorer et de fructifier les méthodologies de travail  au sein de la FDA, de prévoir les activités à venir et notamment de le mettre à sa place comme un outil de financement des paysans, afin de réaliser les politiques de développement du Ministère qui est l’autosuffisance alimentaire.

L’évolution de FDA dans le projet PAPAM, la gestion et l’organisation générale interne, les ressources techniques et financières, les ressources humaines et matérielles, tels étaient les points à évaluer durant l’étude. Nombreux sont les résultats positifs acquis par le FDA, pourtant quelques points seraient à améliorer à travers la discussion, l’échange et la partage avec le MAEP, les bénéficiaires et les partenaires techniques et financiers.

Les priorités de FDA se focaliseront désormais d’une part, sur (i) la définition des tâches du Comité Régional d’Orientation et d’Allocation, qui est un système placé au niveau des régions et décide l’accès des paysans bénéficiaires au financement ; et d’autre part (ii) sur les méthodes de travail de FDA dans la stratégie de service aux agriculteurs.

Retour

Comments are closed.