Fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny zaikabe voalohany eo amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena sinoa sy afrikanina amin’ny sehatry ny Famokarana

« Mifanome tanana hisian’ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny firenena Sinoa sy Afrikanina amin’ny sehatry ny famokarana ». Io no lohahevitra novohizina nandritry ny Zaikabe voalohany eo amin’ ny fiaraha-miasan’ny firenena Sinoa sy ny firenena Afrikanina momba ny famokarana, notanterahina tao SanYa,HaiNan,Sina, ny 09 sy 10 Desambra 2019. Vonona ny hanampy sy hitady vahaolana ho an’ny firenena Afrikanina, entina hialana amin’ny fahantrana ny firenena Sinoa mba hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo alohan’ny taona 2030. Anisan’ny firenena nasaina nandray anjara tamin’izany Zaikabe izany i Madagasikara tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP). Singa iray ahafahan’i Madagasikara mamaha ny olan’ny fiahiana ara-tsakafo sy ahatratrarana ny tanjona lehibe amin’ny fahavitan-tena ara-bary ny fambolem-bary safiotra na riz hybride mamokatra hatrany amin’ny 8taonina isakin’ny hekitara,fiaraha-miasa miaraka amin’ny firenena Sinoa.

Nisy araka izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa hampiroboroboana izany lalam-pihariana izany teo amin’ny MAEP sy ny Ivon-toerana Nasionaly manao ny Fikarohana sy ny Fampiroboroboana ny vary safiotra any Sina ary ny Country Garden Agriculture Holdings. Namafisina nandritry ny fihaonana tamin’ny Zaikabe fa mila omen-danja ny fanodinana ny vokatra mba ahazoana mampandroso ny famokarana bebe kokoa.Nisy ihany koa ny fifanakalozana traikefa sy torohevitra teo amin’ireo mpizaika sinoa sy afrikanina nandritra io fotoana io. Nofaranana tamin’ny fitsidihana tanàna mampiroborobo ny fambolena voly rakotra ao amin’ny tanana kelin’i DaMao,Hainan,SanYa,Sina ity Zaikabe andiany voalohany ity.

Participation de Madagascar au premier forum de coopération sino-africaine sur l’Agriculture
« Travaillant main dans la main pour le développement durable de la coopération sino-africaine sur l’Agriculture », tel est le thème du Premier Forum de Coopération Sino-Africaine sur l’Agriculture (FOCAAC), qui s’est tenu en Chine,HaiNan,SanYa le 09 et 10 Décembre 2019. La Chine est prête à aider l’Afrique à atteindre l’objectif en auto-suffisance alimentaire avant 2030. Madagascar a été parmi des pays africains invités à assister à ce FOCAAC à travers le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP).

A cette occasion, le MAEP avec le Centre National de Recherche et de Développement du Riz Hybride en Chine et le Country Garden Agriculture Holdings ont procédé à la signature de MOU pour développer la technologie du riz hybride à Madagascar. La technologie du riz hybride permettra à Madagascar d’ augmenter sa production rizicole à un rendement de 8tonnes à l’hectare, d’ assurer la sécurité alimentaire et nutritionnelle, et d’atteindre l’objectif phare de l’auto-suffisance rizicole. Le FOCAAC est un plateforme d’échange d’expériences et de solutions pour sortir l’Afrique de la pauvreté ; comme quoi la transformation de l’Agriculture est importante pour valoriser la production. Le dernier jour du forum a été marqué par la visite d’un village écologique de DaMao à SanYa, Hainan,Chine.

Retour

Comments are closed.