Fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo – Andiany faha 15

« Ndao isika hiara-hametraka tanànan’ny fanjarian-tsakafo », io no navoitra nandritra ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo ny zoma 06 desambra 2019, izay natao tao amin’ny Kaominina Tsinjoarivo Imanga, Faritra Bongolava. Ny Foibem-Pirenenan’ny Fanjariantsakafo (ONN), ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro no niara-nanantateraka izany. Tanjona ny handresen-dahatra ny mponina hiova fihetsika amin’ny fomba fisakafoanana sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ka faritra 5 no misongadina indrindra. Anisan’izany ny Faritra Bongolava izay mahatratra 51,4%. Ady maro lafy no ady ho entina hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo ka hetsika misy fiantraikany mivantana eo amin’ny mponina no hanamarinana ity androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo ity. Izany indrindra no nametrahana   ity tananàn’ny fanjarian-tsakafo ity ao amin’ny Faritra Bongolava ary ho atao modely. Hita ao an-toerana avokoa ireo tolotra miantoka ny  fanjarian-tsakafo toy ny fiahiana ara-pahasalamana, ara-pivelomana ary toby fanaraha-maso ny fanjarian-tsakafo.

Toerana fanehoana karazam-pambolena sy fiompiana amin’ny valan-tany maro napetraka tamin’ny velaran-tany 1.5Ha izay ahitana vala fampiharana toy ny fampivadiana ny voly legioma sy ny fanaovana voly rakitra mba hitehirizana zezika ho fanamasahana ny tany ka mba ahatonga ny tany hamokatra ary mba tsy hampitombo ny fanirian’ny ahi-dratsy sy ny fanaovana zezika koposta no hita ao amin’ity toerana ity. Tohana masomboly ho an’ny voly anana sy legioma miisa 1578 fonosana ary zanan-kazo fihinam-boa toy ny manga sy voasary ary ny volotsangana ihany koa no natolotra . Ankoatr’ireo dia nisy ny fanomezana tohana andiana akoho gasy sy kisoa; fanafody iarovana ny fahasalaman’ny biby ary fampiofanana ara- teknikan’ny fiompiana .

Ankoatr’ireo dia misy ny fametrahana toeram-pivarotana zezika organika izay natao hamatsiana ny trano fitehirizana, ivon-toeram-panohanana ny ORN, toerana fivoriana sy fanaovana fiofanana ho an’ny fikambanan’ny reny ao an-tanàna .Misy koa ny fampiroboroboana ny asa fampidiram-bola amin’ny alalan’ny fanomezana zana-trondro miisa 2500 mba ahazoan’ny EPP vola mitentina 200.000 Ar izay entina hampandehanana ny fisakafoanana any an-tsekoly, ny fiofanana amin’ ny fiaraha-mitantana ny farihy, ny ady atao amin’ny jono mihoa-pefy. Nentanina ihany koa ireo mponina ny amin’ny fampahafantarana ny lanjan’ny taharo mahavelona azo avy amin’ny hazandrano .

Journée nationale de nutrition – 15ème édition

La Journée Nationale de Nutrition 2019  a été marquée par la mise en place du premier village de nutrition à Bongolava. L’évènement s’est  tenu le vendredi 06 décembre 2019  dans la commune rurale de Tsinjoarivo, Région Bongolava. L’Office National de Nutrition (ONN), le Ministère de l’Agriculture, de l’élevage et de la pêche ainsi  d’autres partenaires issus du secteur privé, de la société civile, partenaires techniques et financiers ont  organisé cet évènement. L’objectif était de démontrer l’importance de la multisectorialité de la lutte intégrée contre toutes les formes de malnutritions et d’impliquer la population locale dans leur développement.

A Madagascar, le taux de la malnutrition est élevé surtout dans les 5 Régions, dont la Région de Bongolava  est  de 51,4%. L’ONN a mis en place ce village de nutrition pour servir de modèle d’activités complets pour la nutrition et d’une référence pour les acteurs dans le secteur. Les activités menées au niveau du village de Tsinjoarivo Imanga marquent  la multiséctorialité de la lutte contre la malnutrition, telles que l’agriculture, l’élevage, la pêche, la nutrition communautaire, la santé, la nutrition scolaire, la sécurité alimentaire et le Wash.

Le MAEP a contribué à la  mise en place du site de démonstration de polycultures et d’élevage qui   a été établi sur plusieurs parcelles de 1.5Ha telles  que les démonstrations pratiques d’association de cultures légumineuses et graminés , des démonstrations de compostage, de cultures sous couvertures végétales  pour la fertilisation du sol  limitant la pousse des mauvaises herbes . Des appuis en  semences de culture maraichère de 1578 sachets, des pépinières de mangues, d’orange et de bambous , de cheptel aviaire et porcin, des produits vétérinaires  et des formations en technique d’élevage ont été fournis . Il existe aussi la mise à disposition d’un point de vente d’engrais organique servant à la fois de magasin de stockage, de centre d’appuis conseils pour l’ ORN et de salle de réunion et de formation pour les associations de mères de familles du village. En outre, le réempoissonnement   du lac par dotation de 2500 alevins a permis à l’EPP d’obtenir 200.000 Ar de fonds de démarrage de son cantine scolaire. La formation en gestion communautaire du Lac, la  lutte contre la pêche sauvage et la pérennisation des activités génératrices de revenus ont été également fournis par le MAEP.

Dans le cadre du rôle du site, une sensibilisation sur les bonnes valeurs nutritionnelles des produits halieutique a été menée au sein des villageois.

Retour

Comments are closed.