Fampijoroana ny fanahim-pirenena : « Dinika Nosy Malagasy, ampitao ny hevitrao »

Nosy Sambatra no îles Glorieuses teo aloha, Nosy Ampela no Europa, Nosy Kely no Juan de Nova ary Nosy Bedimaky no anarana malagasy iantsoana ny Bassas da India manomboka izao. Sarotiny ny Malagasy amin’ny famerenana ny fiandrianam-pirenena amin’ireo Nosy ireo. Manomboka anio alatsinainy 09 desambra 2019 ny dinika iraisan’ny lafy valon’ny Nosy, momba ireo fehin-kevitra hamerenana ireo Nosy malagasy amin’i Madagasikara.

« Nosy Malagasy, harem-pirenena, lova ho an’ny taranako ».

Retour

Comments are closed.