Papriz III hanomboka tsy ho ela

Nosoniavina ny zoma 06 desambra 2019 tao Anosy ny vokatry ny fivoriana ho fanatanterahana ny tetikasa PARIZ3 (Projet d’Appui pour l’Amélioration de la Productivité et de l’Industrialisation du secteur Riz), tohin’ny PAPRIZ 2, izay iarahan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono sy ny JICA (Agence Japonaise de Coopération International) manatanteraka.

Ity tetikasa vaovao ity dia hifantoka indrindra amin’ny fanatsarana ny vokatra sy fampiroboroboana ny orinasa vaventy eo amin’ny sehapihariana vary eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fampiasana ireo hanapamokarana isan-karazany. Ireo faritra 11 efa niasan’ny PAPRIZ2 miampy ireo faritra 11 vaovao mbola tsy niasana no hisanan’ity tetikasa ity. Hiparitaka manerana ny faritra 22 noho izany ny tetikasa.

Anisan’ny tanjona lehibe amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity ny fanatratrarana ny fahavitan-tena ara-bary, ny vinan’I Madagasikara ho mpanondrana vary any amin’ireo firenena hafa ary ny fampihenana ny tsy fanjarin-tsakafo. Izany indrindra no antony fifanomezan-tanana teo amin’ny Governemanta Malagasy sy Japoney, amin’ny alalan’ity tetikasa ity.

Dingana iray ho fanatanterahana ity tetikasa izay haharitra 5 taona, 2020 hatramin’ny 2025, ity ihany izao fifanaovan-tsonia izao, fa ny volana febroary 2020 dia mbola hisy ny fanasoniavana ny anton-taratasy farany ahafahana manatanteraka antsakany sy andavany ny tetikasa ary ny volana may 2020 no vinaina hanaingana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa.

———————————————————-

Le PAPRIZ III sera bientôt mise en œuvre

Le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) et l’Agence Japonaise de Coopération International (JICA) ont procédé à la signature du procès-verbal des réunions d’un nouveau projet intitulé « Projet d’Appui pour l’Amélioration de la Productivité et de l’Industrialisation du secteur Riz» ou PAPRIZ 3, suite du projet PAPRIZ 2, le vendredi 06 décembre 2019 à Anosy.  

Ce projet PAPRIZ3 se focalisera sur l’amélioration de la productivité et le renforcement de  l’industrialisation du secteur riz à travers la fourniture d’intrants agricoles. Les régions cibles du projet seront les 11 anciennes régions d’intervention du PAPRIZ 2 en ajoutant les 11 autres nouvelles régions. En effet, le projet rizicole interviendra sur toutes les 22 régions de Madagascar.

C’est dans le cadre de l’atteinte de l’autosuffisance en riz et une vision de future exportation de riz dans les pays voisins, que le Gouvernement malagasy et le gouvernement Japonais se donnent la main pour que Madagascar puisse atteindre ses objectifs dont la réduction de l’insécurité alimentaire, l’autosuffisance en riz d’ici 2025 et l’exportation de riz dans les pays voisins.

Cette signature marque la première étape de la mise en œuvre de ce projet prévu pour cinq ans de 2020 à 2025. Un autre document intitulé compte-rendu de discussions qui va être signé en février 2020 concrétisera la mise en œuvre du projet, et le lancement officiel sera prévu le mois de mai 2020.

Retour

Comments are closed.