Ronono : sakafo mahavelona ny rehetra

Toy ny sehapihariana rehetra dia tsy afa-bela  amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny lalam-pihariana  ronono eto Madagasikara ary misy fiantraikany amin’ny kalitao sy ny fatran’ny vokatra izany hany ka mananosarotra ny fitadiavana sakafo hoan’ny biby fiompy. Mihena  ny vokatra ronono ka sahirana ireo mpamokatra mamaly ny tinady hoan’ireo orinasa mpanodina isan-karazany.  Vokatr’izany dia vovon-dronono mitovy fatra amin’ny ronono  96 tapitrisa litatra no natonta teto Madagasikara ny taona 2018. Tsy fantatra anefa ny kalitaon’ireny vovodronono miditra eto an-toerana ireny  matetika ary misy aza ny efa lany daty sy tsy misy otrikaina intsony. Azo atao tsara ny mampihena na manafoana izany fampidirana vovo-dronona izany amin’ny alalan’ny fanohanana ireo mpiompy ombivavy be ronono ho fampitomboana ny vokatra.  Anisan’ny paikady efa hotanterahin’ny Ministera izay miahy  ny Fiompiana moa ny hanavaozana  ny kijàna firaofana ho fanatsarana ny sakafon’ny omby.

Mila tohana ny mpamokatra eto an-toerana

Ankoatra izay, maherin’ny 90% ny ronono amidy eto Antananarivo dia mitampoka avokoa nefa ny ronono dia anisan’ny sakafo saropady, hoy ny fanazavan’Andriamatoa Haingotiana RAZAINDRAINIBE, filohan’ny MDB (Malagasy Dairy Board), Fikambanana efa niorina hatramin’ny taona 2014,  izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, misehatra indrindra   ho fampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara ary mivoy ny teny filamatra hoe “Ronono, mahavelona ny rehetra”. Nitondra fanentanana ho an’ny mpiara-miombon’antoka rehetra moa ny filohan’ny MDB mba hampiakatra ny vokatra ronono eto Madagasikara ary hifanohana hanome lanja ny mpamokatra eto an-toerana.

06 desambra: Alina fotsin’ny ronono

Maro ny asa efa natao tao anatin’izay 15 taona nisiany izay. Nanomboka ny volana febroary 2019 ny fankalazana, izay nomarihina tamin’ny fampiratiana sary, fambolem-bilona tany amin’ny faritra Bongolava, fanentanana momba ny voly avotra tao Fianarantsoa, tsenaben’ny ronono, iray volan’ny vilona, sns. Tolo-tanana ho fifanohanana araka izany no hanatanterahana ny Alina fotsin’ny  Ronono, ho fanakatonana ny fanamarihana ny faha 15 taonan’ny MDB,  izay hatao etsy amin’ny Hotel Carlton Anosy ny Zoma 06 Desambra 2019 hoavy  izao, fotoana hifampizarana fifaliana ihany koa hoan’ireo mpisehatra  sy ireo mpiara-miombon’antoka ary koa ireo liana  amin’ny lalam-pihariana ronono miaraka amin’ny Fianakaviam-ben’ny MDB.

——————————————————–

Le lait: un aliment nutritif pour tous

La filière lait à Madagascar est actuellement menacée par le changement climatique. Cela affecte la qualité et la quantité des produits. La recherche des nourritures pour les bétails s’avère difficile en raison de ce changement climatique.  La production du lait est en baisse et les producteurs ont du mal à répondre à la demande de diverses entreprises de transformation. En conséquence, des poudres de lait de même quantité au 96 ​​millions de  litre de lait ont été importées à Madagascar en 2018. Cependant, la qualité de ces poudres est inconnue et certaines sont périmées et déprotéinés. En effet, la réduction et la cessation de cette importation est bien possible à travers l’appui et le soutien des éleveurs des vaches laitières locales afin d’accroitre la productivité.  L’une des stratégies mises en œuvre par le Ministère en charge de l’Elevage consiste à rénover le pâturage afin d’améliorer l’alimentation du bétail.

Appui aux éleveurs

En outre, après analyse, plus de 90% du lait cru vendu à Antananarivo  ont été  tous mélangé avec de l’eau alors que la qualité du lait cru est le principal facteur qui détermine la qualité des produits laitiers. Les produits laitiers de bonne qualité ne peuvent être produits qu’à partir de lait cru de bonne qualité, a énoncé  M. Haingotina RAZAINDRAINIBE, Président de la MDB (Malagasy Dairy Board), une société créée depuis 2014, sous la direction du ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et  de la Pêche, qui vise à promouvoir la production du lait à Madagascar et incite le slogan «Ronono, mahavelona ny rehetra». Le président de la BMD a incité toutes les parties prenantes à augmenter la production du lait à Madagascar et à soutenir les producteurs locaux.

06 décembre 2019: la nuit blanche du lait

Nombreux sont les activités réalisées par le MDB au cours de ses 15 années d’existence. La célébration a débuté en février 2019 et est marquée par une exposition de photos, culture fourragère dans la Région de Bongolava, une campagne de sensibilisation sur la culture saisonnière à Fianarantsoa, ​​la foire du lait, « iray volan’ny vilona », etc. Une nuit blanche du lait sera organisé le vendredi 06 décembre 2019 à l’hôtel Carlton Anosy pour la clôture de la célébration de ce 15ème anniversaire, qui permet à tous les acteurs et partenaires, ainsi que les intéressés à la filière lait avec la famille de MDB de se soutenir mutuellement, de s’entraider, de travailler ensemble pour améliorer et accroître la production laitière à Madagascar.

Retour

Comments are closed.