Atrikasa fifampizarana momba ny Fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fambolena mitsinjo ny ho avy manoloana ny fiovan’ny toetrandro.

Tontosa ny zoma faha 22 ny volana novambra 2019 teny amin’ ny CNEAGR Nanisana ny atrikasa fifampizarana momba ny Fambolena miaro ny tontolo iainana « Agroécologie »  sy  ny fambolena mitsinjo ny ho avy manoloana ny fiovan’ny toetrandro « l’Agriculture Intelligente face au climat (AIC) »  hiampitana amin’ny lamina ara-tsakafo sy famokarana maharitra ho lovainjafy izay nokarakarain’ ny sampan-draharaha  misahana ny tontolo iainana, ny toetrandro ary ny hamehana na Service Environnement Climat et Réponses aux Urgences  (SECRU) ao amin’ ny MAEP sy ny tetikasa PAPAM.

Entina indrinra ho fanamafisana ny fampiharana ny paikady nasionaly hiantrehana ny fiovaovan’ ny toetrandro hoan’ ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono, ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tekisianina eny amin’ ny foibe –paritrin’ ny Fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono (DRAEP) voakasiky ny tetikasa PAPAM ary ny fampitana ireo teknika « Agro Ecologie » sy fanapariahana ny AIC.

Tanjon’ ny atrikasa izay natrehan’ ireo mpisehatra rehetra ny fizarana ireo zava-bita eo amin’ ny sehatry ny « Fambolena miaro ny tontolo iainana» sy ny fampiharana ny « AIC » eto Madagasikara. Nodinihana tamin’ io fotoana io ihany koa ny drafitra sy paikady ho fampiharina sy fametrahana ireo lahara-pamehana hoan’ ny fanapariahana izany tekinika izany.

Atelier de partage sur l’Agro Ecologie et l’Agriculture Intelligente face au climat

Le Service Environnement Climat et Réponses aux Urgences  du Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche en collaboration avec le Projet PAPAM ont organisé un atelier de partage sur l’Agro Ecologie et l’Agriculture Intelligente face au climat, pour la transition vers des systèmes alimentaires et agricoles durables, le vendredi 22 novembre 2019 au CNEAGR Nanisana.

 L’ atelier a été organisé dans le cadre de la mise en œuvre de la Stratégie Nationale face aux changements climatiques pour les secteurs Agriculture Elevage et Pêche, du renforcement de capacités des DRAEP concernées par le Projet PAPAM pour l’ appropriation des techniques Agro écologique AE et pour la mise à l’ échelle de l’ agriculture Intelligente face au climat AIC

L’Atelier ayant réunis tous les acteurs de l’agro écologie à Madagascar (PAPAM, GSDM TFNAC et la FAO) avait pour objectif de partager  les avancés et réalisations en matière d’Agro Ecologie et la mise à l’échelle de agriculture Intelligente face au climat afin de concilier l’écologie, l’environnement et la transition agro-écologique.

Cette réunion de travail a permis aux participants de discuter et débattre sur les plans d’action à adopter ainsi que de présenter les différentes priorités concernant la mise à l’échelle et la diffusion de l’Agro Ecologie à Madagascar.

Retour

Comments are closed.