Hitombo avo efatra heny ny lanjan’ny Tilapia!

Ho fanatsarana ny teknikan’ny fampitomboana  ny fiompiana trondro tilapia anaty fefy mitsingevana, dia nisy ny atrikasa fifampizarana  ny voka-pikarohana izay nokarakarain’ny Minisiteran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono niaraka tamin’ny LFL ny 21 Novambra 2019, tao amin’ny MBC Ivato. Ny fahaizana mandanjalanja ny sakafo sy ny fisafidianana ny zana-trondro ompiana ary ny hafananan’ny rano no miantoka ny fitombon’ny trondro ary mety ahazoana vokatra avo efatra heny noho ny fiompiana mahazatra.

Malalaka ny tsenan’ny tilapia eto Madagasikara ary tsy maharaka ny tolotra  ny tinady. Misy ihany ireo mpiompy izay misehatra amin’io lalam-pihariana io kanefa noho ny tsy fahampian’ny traikefan’izy ireo dia kely ny vokatra miakatra ary tsy mahafeno ny filan’ireo mpanjifa. Manoloana izany indrindra no antom-pisian’ity atrikasa  fifampizarana  voka-pikarohana ity izay entina hanatsarana ny kalitao ny trondro tilapia. Ho ezahina haparitaka manerana an’i Madagasikara ity voka-pikarohana ity raha eto amin’ny faritra Analamanga no nanombohana izany.

Ho famporisihana ny olona hisehatra amin’ity lalam-pihariana jono ity dia hametraka fotodrafitrasa lehibe maro ny minisitera toy ny “écloserie”na toerana famokarana zana-trondro. Ankoatr’izay dia hisy koa ny fampitaovana entina miasa ao anatin’izany ary ny fametrahana mazava  ny drafitra ny fiompiana  ny harena anaty rano.

 Poids du tilapia quadruplé!

Pour améliorer la production de tilapia, le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche en collaboration  avec le LFL, ont organisé un atelier de partage des résultats de recherches sur l’augmentation du poids du  tilapia de l’élevage en cage flottante qui est basée sur une bonne sélection des alevins et une  température  adéquate de l’eau .

La filière tilapia est encore sous exploitée à Madagascar. L’offre et la demande ne sont pas encore équilibrées. Par manque d’expériences et d’appuis, la production de tilapia des pisciculteurs ne sont pas très performant, d’où  l’importance de cet atelier de partage de recherches sur les méthodes de grossissement des tilapias d’élevage en cage flottante. Cette expérience a été couronnée de succès dans la région d’Analamanga et devrait se propager dans tout Madagascar.

Pour promouvoir le secteur pêche, le MAEP projette d’établir des écloseries, des dotations de matériels, et des schémas d’aménagement de l’aquaculture marine et continentale.

Retour

Comments are closed.