fanokafana ny taom-pamokarana nationaly 2019-2020

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pamokarana vary 2019-2020 sy ny fanomezana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpamboly vary PAPRIZ sy ireo mpamokatra masomboly mendrika,Andriamatoa Andry RAJOELINA ,Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tao Sarobaratra Ifanja,Faritra Itasy ny 16 novambra 2019.Nambaran’i Filoha nandritra ny fandraisany fitenena fa hisy ny « Dokany mora »isaky ny faritra izay ahitana zezika isan-karazany,masomboly voafantina,fanafody fiarovana amin’ny voly sy fitsaboana ny biby fiompy ary ny fitaovana isan-karazany ilaina amin’ny fambolena sy ny fiompiana,ny fitaovana madinika hatramin’ny lehibe toy ny « motoculteurs ».

Ho fanatratrarana ny velirano fahasivy izay napetraky ny Filoha dia ny fahavitan-tena ara-bary ny 2020 ary ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny 2024,maro ireo paikady izay notanterahin’ny MAEP toy ny fanajariana ny lemaka mirefy 35 568 Ha, fanamboarana lemaka vaovao izay hahatratra 7810Ha hatramin’ny faran’ny taona.Amin’ny taona 2020 ,dia hisy ihany koa ny fanajariana lemaka vaovao toy ny any  amin’ny faritra SAVA(Fanambana) izay mirefy 10 000Ha ,SOFIA(Bekapila,Bealalana) 40 000Ha, BOENY(Katsepy) 3 000Ha ,ALAOTRA 4 000 Ha ,ATSIMO ANDREFANA(Mangoky RD-RG) 35 000Ha ,MENABE(Dabara,Manja) 11 800Ha ary ANOSY(Ambovombe) 8 000Ha.

Mba ahazoana vokatra tsara dia misy ihany koa ny fanaparihana ny masomboly voafantina vary safiotra na riz hybride izay mamokatra hatramin’ny 8-10t/Ha ary 100 taonina no efa tonga izay mahavita 5000 Ha.Misy ihany koa ny masomboly ho an’ny vary an-tanety NERICA 4,izay 50 taonina no efa vonona ary isan’ny tsara indrindra aty Afrika no mety  eto amintsika ka ahazoana vokatra 4.5 t/Ha.Ankoatrizay,dia misy ny fametrahana ny orinasa fanakambanana trakitera eto an-toerana mba ahazoan’ireo fikambanan’ny vondron’ny tantsaha mahazo fitaovana mora.

Nandritra ny  fankalazana dia nizara fitaovam-pamokarana maro ny MAEP tamin’ny alalan’ireo tetikasa sy fandaharanasa eo ambany fiahiny ary mpamboly 112 avy amin’ny faritra 11 no nahazo ny mari-pankasitrahana avy amin’ny fitondram-panjakana noho ny nahazoan’izy ireo taham-bokatra be indrindra tamin’ny fampiasana ny teknika PAPRIZ sy ny famokarana masomboly.

Misokatra ihany koa ny fifaninana ho an’ireo mpamboly vary ka izay mahazo taham-bokatra ambony indrindra dia hahazo tany 10 hektara sy trakitera ary izay vondrona mpamokatra masomboly mendrika dia hahazo motoculteurs sy trakitera ihany koa amin’ity taom-pamokarana 2019-2020 ho avy izao ity.

 Le Président de la République, SEM Andry Rajoelina a honoré de sa présence la cérémonie de lancement de la campagne rizicole 2019-2020 et la remise de prime du concours rizicole PAPRIZ 2018-2019 à  Sarobaratra Ifanja, Région Itasy le 16 novembre 2019. Lors de son allocution, le President Andry Rajoelina a annoncé la mise en place des « Dokany mora » qui seront implantés dans toutes les régions où les paysans agriculteurs pourront s’approvisionner en engrais, en semences, en matériaux agricoles divers.

Dans le cadre de la vision et l’engagement n° 9 du Président de la République de Madagascar qui sont l’autosuffisance rizicole pour la 60ème année d’indépendance en 2020 et l’autosuffisance alimentaire à l’horizon 2024, le MAEP adopte toutes les stratégies qui permettent d’atteindre ces objectifs tels que la réhabilitation de 35 568 ha de périmètres agricoles et de 7810ha nouvellement aménagés à la fin de cette année. En 2020, d’autres aménagements de nouveaux périmètres sont prévus, dont 10 000 Ha dans la Région SAVA(Fanambina), 40 000Ha dans la Région SOFIA (Bekapila et Bealalana) ,3 000Ha dans la Région BOENY(Katsepy), 4 000Ha dans la Région ALAOTRA, 35 000Ha dans la Région ATSIMO ANDREFANA (Mangoky RD-RG) 11 800Ha dans la Région MENABE (Dabara,Manja) et 8 000Ha dans la Région ANOSY.

Une bonne productivité rizicole repose également sur l’utilisation de semences améliorés et certifiées ainsi que l’utilisation rationnelle de fertilisant. Le MAEP met en œuvre divers stratégies pour  la diffusion et la disponibilité des semences améliorées tels que le FOFIFA X265, le NERICA 4 pour le riz pluvial dont 50t sont déjà disponibles, le développement de la production du riz hybride avec ses rendements de 8 à 10T et l’implantation d’usine d’assemblage de tracteurs à Tamatave.

Lors de la cérémonie, le MAEP à travers ses programmes et projets ont distribués des semences, des petits matériels agricoles, des pulvérisateurs. Cette cérémonie était également une occasion pour récompenser les 112 meilleurs riziculteurs ayant adopté la Technique PAPRIZ et les riziculteurs producteurs de semences issus des 11 régions d’Intervention du projet PAPRIZ 2. Des concours seront également lancés dans les régions à forte production et ceux qui obtiendront le meilleur rendement à la prochaine récolte auront comme récompense des parcelles cultivables allant jusqu’ à 10 Ha et un tracteur. Ces concours concernent également les producteurs de semences, notamment les Groupement des Producteurs de Semences (GPS) et les Producteurs Multiplicateurs de Semence(PMS) qui recevront des motoculteurs et des tracteurs.

Retour

Comments are closed.