Nohatsaraina ny fitantanana maharitra ny ala honko eto Madagasikara

Tohin’ny atrikasa nasionaly momba ny fitandrovana sy ny  fitantanana maharitra ny ala honko eto Madagasikara, izay natao tao Toliara ny 23-25 jolay 2019, dia niroso tamin’ny fanasoniavana ny vokatry ny atrikasa ny  Ministera roa tonta tompon’andraikitra voalohany amin’izany, dia ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, sy ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy, ny alakamisy 14 novembre 2019, tao amin’ny Carlton Anosy.

Mandrafitra ity vokatry ny atrikasa ity ny zava-misy rehetra mifandraika amin’ny ala honko eto Madagasikara sy ny tolo-kevitra tsotra mora raisina ho fitandrovana sy fitantanana maharitra ny ala honko.

Anisan’ny misitraka feno ny fiarovana ny ala honko ny sehatry ny jono satria maro ny hazandrano mivelona ao anatin’izany ala honko izany. Nahitana fihenana sy fahapotehana ny ala honko teto Madagasikara tato ato ary hita taratra fa misy fiankaikany mivantana amin’ny tahan’ny vokatra anaty rano izany, toy ny makamba, ny oratsimba, ny drakaka. Raha namokatra makamba hatramin’ny 9000t Madagasikara ny taona 1990, dia manodidina ny 3500t sisa amin’izao fotoana. Izany indrindra no antony nandraisan’ny MAEP sy MEDD hiara-hiasa feno ho fiarovana ny ala honko eto Madagasaikara.

Nanao fanambaràna miaraka ny MAEP sy MEDD ary nanolo-tena ampahibemaso fa hamolavola sy hamita  ny paik’ady nasionaly, hamerina hijery manokana ny lalàna mandràra ny fitrandrahana ny hazo ala honko, hiantoka feno ny fandrindrana ny  fidiran’antsehatr’ireo mpiara-miombon’antoka indrindra ny CNGIZC sy ny CNGIM, ary hampiatra araka ny tokony ho izy ny lalàna sy ny fitsipika rehetra.

———————-

La gouvernance et la gestion durable des mangroves à Madagascar améliorée

Suite à l’atelier national sur la gestion durable et la gouvernance des mangroves à Madagascar, qui s’est tenu à Tuléar le 23 et 25 juillet 2019, le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, et le Ministère de l’Environnement et du Développement Durable se sont engagés à développer la stratégie nationale sur la gestion durable et responsable des mangroves de Madagascar

Elle consiste à réviser le texte interdisant l’exploitation des bois de mangrove, à assurer la coordination des interventions et la synergie entre les parties prenantes en particulier le CNGIZC (Comité National de Gestion Intégrée des Zones Côtières) et le CNGIM (Commission Nationale de Gestion Intégrée des Mangroves, et à appliquer la loi et les réglementations en vigueur.

C’est dans ce contexte que les deux ministres  ont procédé, le 14 novembre 2019, à la signature de l’acte de cet atelier à Anosy. Cet acte constitue un état des lieux sur les thèmes de l’écosystème, de la socio-économie et de la gouvernance des mangroves à Madagascar, et des recommandations pratiques pour la conservation et la gestion durable des mangroves.

En effet, la protection des mangroves contribue totalement à l’accroissement de la production aquacole et au développement du secteur pêche. Sa destruction engendre des impacts négatifs à la production des ressources marines à savoir le crabe, la crevette et langoustes. Aussi est-il important d’établir une politique et stratégie pour la préservation et la protection de nos mangroves a confirmé le Ministre en charge de la pêche, RANARIVELO Lucien.

Retour

Comments are closed.