Torolalana hoan’ ny famolavolana drafim-panajariana ny jono.

Natao ny 12 novambra 2019 ny atrikasa momban’ ny fanamarinana ny fehikevitra sy tolo-kevitra mahakasika ny  dinikasa fanatsarana ny famolavolana sy fampiharana  ny drafim-panajariana ny jono (PAP), izay nokarakarain’ ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, sy ny Tetikasa USAID Hay Tao.

Marihina fa drafim-panajariana ny jono (PAP) 4 no novolavolaina sy nampiharina teto Madagasikara nandritra ny 5 taona. Dia ny PAP any amin’ ny Faritra Melaky, Faritra Atsimo Andrefana, any amin’  ny helodranon’ i Antongil ary ny PAP eny amin’ ny  helodranon’ Ambaro, Tsimipaika, Ampasindava ary ny vondronosin’ny Nosy Be.

Ho fanatsarana sy fandrindrana ny asa dia nanapakevitra ny hamolavola torolalana fananganana drafim-panajariana ny jono (PAP) ny MAEP sy ny Tetikasa USAID Hay Tao. Nisy araka izany ny fanadihadiana izay nataon’ ireo mpanamahay ny Tetikasa USAID Hay Tao ireo. Handray sy  hampiditra ireo fomba fanao nahitana vokatra tsara  sy ireo lesona tsara azo nosotomina avy amin’ ny fahaiza-manao eto an-toerana sy any an-kafa ity torolana izay ho volavolaina ity,  izay tokony tahiri-kevitra mipetraka hoan’ ireo tetikasa famolavolana sy fampiharana PAP efa misy sy mbola ho avy.

Araka izany, ny tanjon’ny atrikasa dia ny fanolorana sy fankatoavana ireo traikefa azo tamin’ ny fampiharana ireo PAP 4 efa nisy ireo, ny torohevitra  nosotomina avy amin’ ny fanadihadiana izay natao ho fanatsarana ny famolavolana ny PAP ary ny mety ho drafitrin’ ny torolalana izay hovolavolaina.

Le guide d’élaboration d’un PAP bientôt disponible.

Le Ministère de l’Agriculture de  l ’Elevage et de la Pêche en partenariat avec le projet USAID Hay Tao ont organisé le 12 novembre 2019, un atelier pour la validation des conclusions et recommandations de l’étude visant à améliorer l’élaboration et la mise en œuvre d’un Plan d’Aménagement des Pêcheries (PAP).

Depuis 2014, 4 PAP ont été élaborés et mis en œuvre : ceux de la Baie d’ Antongil, de la Région Melaky de la Région Atsimo Andrefana et de la Zone BATAN (Baie d’ Ambaro, de Tsimipaika, d’Ampasidava et de l’Archipel de Nosy-be).

 Aujourd’hui, dans un souci d’harmonisation le MAEP décide de développer un guide d’élaboration d’un PAP avec l’appui du projet USAID Hay Tao. Pour cela une étude a été menée par les consultants du projet USAID Hay tao. Le guide va intégrer les bonnes pratiques ainsi que les leçons apprises issus des expériences de Madagascar et d’ ailleurs. Il devra servir de document de référence pour les initiatives nouvelles et en cours, relatives au développement et à la mise en œuvre d’un PAP. Il sera un document évolutif, régulièrement mis à jour en fonction des enseignements tirés de son application.

Cet atelier a pour objectif de présenter et mettre en débat, pour leur validation, les acquis et les enseignements tirés des PAP existants et des initiatives similaires, les recommandations de l’étude pour améliorer les processus d’élaboration et de mise en œuvre d’un PAP, ainsi que le format du guide d’élaboration du PAP. Notons que la mission pour le développement du guide PAP devra se terminer à la fin du mois de novembre 2019.

Retour

Comments are closed.