DEFIS : fampitoviana ny fomba fijery amin’ny handrindrana ny fomba fiasa

Dinikasa ho fampihaonana ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny Fandaharanasa DEFIS no notanterahina tao Toliara ny 07 sy 08 Novambra 2019 ka ny Mpandrindra Nasionaly ny Fandaharanasa no nitarika izany.

« Ny hampitoviana ny fomba fijery amin’ny handrindrana ny fomba fiasa ahafahana miroso lavidavitra hoamin’ny tsara hatrany  no tena  tanjona »

Fandaharanasa miasa ho fanatanterahana ny Politikam-panjakana izay hotontosain’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny DEFIS, asa  hisy fiantraikany mivantana amin’ny famokarana, indrindra ireo famokarana tantanim-pianakaviana.  

Herintaona izao no niasan’ny Fandaharanasa Defis ary efa nisy ny iraka avy amin’ireo mpamatsy vola nanatanteraka ny fanaraha-maso ireo asa notontosainy nandritra  izay fotoana izay. Nisy araka izany ny toromarika nivoitra tao anatin’izany, izay havadika  ho asa  tsy maintsy hotanterahina hirosoana ho amin’ny  fanatsarana.

Ny hifampizarana amin’ny rehetra ireo toromarika ireo ka hijerena miaraka ny paikady hanatanterahina izany no antom-pisian’ity Dinikasa ity  ka zava-kinendry tao anatin’izany ny handrafetana  ny  PTBA na Drafitrasa hoamin’ny taona 2020, sy  hamariparitana sahady  izay mety ho zava-bita amin’ny taona hoavy.

Hoan’ ny taona 2020 izany dia mikasa ny hanome tantsoroka famokarana tantanim-pianakaviana miiisa 60 000 ny fandaharanasa ary mikendry ny hanatsara ny fidirambolan’ izy ireo mba hatratra 3 500 000  Ariary isan-taona. Mikasa ihany koa ny fampitomboana ny vokatra ka hahazoana  tombony 50 000 T isan-taona . Hanatanteraka fanarenana lemaka eo amin’ ny 21 000 ha koa ny fandaharanasa DEFIS.

Consolider l’esprit d’équipe et renforcer l’appropriation de la vision et le mécanisme opérationnel du programme

L’équipe de coordination du programme DEFIS du MAEP a organisé un atelier de regroupement du personnel et des partenaires du programme à Tuléar les 7 et 8 novembre 2019.

Cette réunion avait pour objectif de partager le bilan de la situation du démarrage du programme à l’issue de la première mission de supervision, de traduire les recommandations de la mission de supervision en action. L’atelier vise à identifier et planifier les actions prioritaires et urgentes dans le cadre du PTBA 2020.

L’atelier de regroupement aura permis aux partenaires de renforcer l’appropriation de la vision et le mécanisme opérationnel du programme et surtout de consolider l’esprit d’équipe au sein de l’équipe de coordination du programme.

Le programme qui a pour objectif d’améliorer durablement les revenus des Exploitants Agricoles Familiales, la sécurité alimentaire et nutritionnelle des ruraux vulnérables dans ses zones d’interventions va reposer  ses actions sur la valorisations et mise à l’ échelle des expériences positives pour ne citer que le couplage OP/OM, l’ approche pôle de production, le dispositif de proximité CGEAF ainsi que l’ approche intégré : approche paysage BV/PI.

En 2020 le programme ciblera près de 60000 EAF en ayant comme objectif un revenu agricole annuel moyen de 3 500 000 Ariary. Il visera également une production additionnelle de 50 000 T. Le programme projette aussi d’aménager et remettre en état près de 21000 Ha de périmètres irrigués.

Retour

Comments are closed.