Faritr’I Menabe: anisan’ny faritra mitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara

Nandritry ny fidinana an-tsehatra nataon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA niaraka tamin’Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Lucien RANARIVELO, tao Morondava ny 09 sy 10 Novembre 2019 no nanambarany fa “Hanomboka tsy hoe ela ny fanamboarana ny lemak’I DABARA izay efa tsy niasa aman-taona maro nefa dia miantoka feno ny famokarana ara-pambolena foto-piveloman’ny mponina ao an-toerana ary efa misy ny tolobidy mahakasika izany. Efa fangatahan’ny mponinin’ny Mahabo sy Morondava hatry ny ela moa ny fanamboarana izany lemaka izany mba hanatsaràna ny fitantanan-drano sy hisian’ny fifehezana ny rano ao aminy.

Fifaninana famokaram-bary

Nandritry ity fotoana ity ihany koa no niarahabana sy nanolorana loka ho an’ireo tantsaha miisa4 voalohany tamin’ny fifaninana famokaram-bary izay nokarakairan’ny DRAEP, ka hana-pamokarana sy fitaovam-pamobelana isankarazany toy ny vanneuse, batteuse, sascleuse, zezika, sns no natolotra tamin’izany.  Marihina fa ny laharana voalohany moa dia namokatra vary 7t/ha, ny faharoa dia 5,5t/ha, ary ny fahatelo sy fahefatra dia 5t/ha avokoa. Izany vokatra izany no azo dia noho ny fampiasana sy ny  fanaparitahana ny teknika Papriz tao amin’ny faritra. Tanjona amin’ny fikarakarana ny fifaninana moa ny mba hitaran’ny teknika amin’ny faritra maro satria hita fa nahomby izany ary indrindra ny fanatratrarana ny fahavitan-tena ara-bary amin’ ny taona 2020. Ny  teknisianina moa dia tsy mitsahatra mijery hatrany ny fomba hampitomboana ny vokatra. Efa nitohy tamin’ity taona ity ny fifaninana izay mampiasa ny teknika nohatsaraina SRA/ SRI ary efa nisy ny “sondage de rendement” tamin’ny vokatra niakatra farany teo. Hitohy hatrany ny fifaninana.

Ity fotoana ity ihany koa no nanohizan’ny MAEP ny fametahana ny “puce électronique” n’omby tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Analaiva , faritra izay mpiompy omby tokoa. Hitohy manerana ny faritra hafa moa izany. Marihina fa puce électronique miisa 2000 no vinaina hapetaka amin’ireo omby ao Menabe ary dingana ho amin’ny fanatratrarana izany izao natao izao.

———————-

Région Menabe : axe de production pour Madagascar

« Le périmètre de DABARA détient un grand rôle dans la vie de la population de Morondava. Il assure la productivité agricole mais il n’était pas fonctionnel depuis des années. Le réaménagement de ce périmètre va bientôt commencer », a énoncé le Président de la République, Andry RAJOELINA lors de sa descente à Morondava avec le Ministre de l’Agriculture, de l’Elevage, et de la Pêche Lucien RANARIVELO, le 09 et 10 Novembre 2019. L’offre d’appel pour cette activité est déjà élaborée. Le réaménagement de ce périmètre était depuis longtemps une demande des habitants de Mahabo et de Morondava en vue d’améliorer la gestion et l’irrigation de l’eau de ce périmètre.

Concours de production rizicole

Ce moment était l’occasion pour le MAEP à travers le DRAEP Menabe de remettre de lots aux 4 paysans lauréats du concours de production rizicole, organisé pendant la campagne agricole 2018-2019. Des petits matériels agricoles et des intrants agricoles comme la vanneuse, batteuse, sarcleuse, des engrais, etc. leurs ont été fournis. Notons que le premier a produit 7tde riz /ha, la 2ème  5,5t/ha et 5t/ha pour les 3ème et 4ème. Ce résultat était obtenu grâce à l’utilisation et à la distribution des techniques de Papriz dans la région. Le concours est en effet organisé dans le but, d’une part, de partager ce technique dans tous les régions car elle a fait ses preuves et d’autre part, et surtout de parvenir à l’autosuffisance rizicole d’ici 2020. Les techniciens ne cessent de rechercher des moyens d’augmenter la productivité. Le Concours s’est poursuivie cette année en utilisant des techniques améliorées SRA / SRI et un sondage de rendement a été déjà effectué pendant la dernière campagne.

L’, évènement a vu également la continuation de l’implantation des puces électroniques dans la commune rurale d’Analaiva, zone potentiel de l’élevage bovin. Environ 2 000 puces électriques sont prévues pour les bovins de Menabe. Cette fois-ci constitue une étape dans le processus.

Retour

Comments are closed.