Fahavitantena ara-bary : matotra ny Paikadin’ ny MAEP

Vinan’ ny Firenena Malagasy ny ahatongavana amin’ ny fahavitan-tena ara-bary, ny fahaleovan-tena ara-tsakafo  sy ny ho sompitry ny Ranomasimbe Indianina. Mba hanatrarana ireo tanjona ireo dia namolavola paik’ady maro ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompina ary ny Jono ka anisan’ izany ny fampiroboroboana ny teknolojian’ ny vary safiotra Sinoa izay ahazoana taham-bokatra mihoatra lavitra (8T/Ha) noho ireo vary mahazatra (2.5t/Ha), fiaraha-miasa amin’ ny orinasa sinoa Yuan’s Madagascar. Izany dia natao ahafahana miady amin’ ny tsy fanjariantsakafo, ny hampiakatra ny farim-piainan’ ny tantsaha mpamokatra ary hampihena ny fanafarana vary.

Masomboly 100T

Notoloran’ ny orinasa sinoa masomboly vary safiotra « Wechu 902-3 » milanja 300T ny Gouvernemanta Malagasy ka 100 T amin’ izany no efa tonga sy azo ampiasaina amin’ ity taom-pambolem-bary 2019-2020 ity. Hoaparitaka any amin’ ny Faritra Alaotra izay sompitry Gasikara ny ampahany betsaka amin’ ireo masomboly ireo ary ny ambiny dia hozaraina amin’ ny Faritra Analamanga sy ny Faritra Itasy izay hanatanterahina ny Fanokafana amin’ ny fomba ofisialy ny taom-pambolena 2019-2020 ny 16 novambra ho avy izao ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Sarobaratra Ifanja. Ny 200 T sisa  amin’ity  fanomezana masomboly vary safiotra ity dia ho andrasana  amin’ ny taona ho avy.

Haparitaka amin’ ny faritra mpamokatra.

Ho tanterahina any amin’ ireo faritra mpamoka-bary lehibe na salantsalany  toy ny Faritra Alaotra, Atsinana, Analajirofo, Vatovavy Fito Vinany , Menabe, Atsimo Andrefana, Sofia,ary ny Faritra Boeny ny fampiroboroboana sy fanentanana amin’ ny fambolena ny vary safiotra. Ny asa atao rehetra amin’ izany dia eo ambany fiahian’ ny DGA ary ho tanterahin’ ny foibem-paritra misahana ny fambolena sy ireo sampana sy rantsamangaika maro ao amin’ ny Ministera toy ny DAPV, ny DPV, ny DGR, sy ny Foibe Fikarohana momba ny Fambolena sy Fiompiana Ampiharina ho Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (FOFIFA).

Mahakasika ny fampiroboroboana ny teknolojian’ ny vary safiotra dia efa misy ihany koa ny Ivon-toerana fanaovana fikarohana momban’ ny Vary safiotra sinoa na «Sous-centre Africain du Centre National de R&D en riz hybride de Chine » ao Andranovaky Mahitsy. Tsy latsaka izany ihany koa ny famokarana masomboly vary safiotra « Wechu 902-3 » izay hiarahana amin’ ny orinasa Yuan’s Madagascar any amin’ ny CMS Ambahivaibe faritra DIANA.

Autosuffisance rizicole : des actions concrètes menées par le MPAE !

Aujourd’hui Madagascar a pour ambition  d’être autosuffisant en riz, et de devenir le grenier alimentaire de l’Océan Indien. Pour cela le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) met en œuvre divers stratégie afin d’atteindre ces objectifs. Après avoir entrepris les différentes activités d’entretien des différents réseaux hydroagricoles à travers le tagnamaro, le MAEP en partenariat avec la Société Yuan’s Madagascar se concentre sur le développement et à la mise à l’échelle de la technologie du riz hybride chinois. En effet les rendements obtenus par la culture du riz hybrides sont nettement élevés (8T/Ha) en comparaison au riz conventionnel (2.5T/Ha). Elle permet d’assurer la sécurité alimentaire nationale, d’améliorer le revenu des ménages agricoles, et de réduire l’importation de riz.

100 Tonnes de semence déjà disponibles.

Dans le cadre de ce partenariat la société Chinoise a fait don au Gouvernement Malagasy de 300 T de semences de riz hybrides Wechu 902-3. 100 Tonnes de semences sont déjà arrivées et sont disponibles pour la grande campagne rizicole 2019-2020. Pour cette année, une grande partie des semences (50/100Tonnes disponibles) sont destinées directement à la Région Alaotra Mangoro , grenier à riz de Madagascar, qui dispose de grandes infrastructures hydro agricoles, de structures et de système de vulgarisation opérationnel avec 47 PAPRIZ formateurs assurant un périmètre de 70 356 ha. Le reste de cette première tranche de semences seront réparties dans la Région Analamanga et la Région Itasy où se tiendra le lancement officiel de la grande campagne rizicole 2019-2020 le 16 novembre 2019 dans la CR d’ Ifanja Région Itasy. Les 200 T de semences restantes sont prévues pour l’année prochaine.

Prioriser les pôles rizicoles

La vulgarisation à grande échelle de la culture de riz hybrides sera menée dans des pôles rizicoles de petite et moyenne taille, dont les Régions Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Vatovavy Fitovinany, Menabe, Atsimo Andrefana, Sofia, et Boeny. Les différentes activités seront  sous la supervision directe de la Direction Générale de l’Agriculture du MAEP. La coordination de la mise en œuvre sera assurée par les Directions Régionales  de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche (DRAEP) appuyés par la Direction d’Appui à la Production Végétale (DAPV), la Direction de la Protection des végétaux (DPV), la Direction du Génie rural (DGR) et le Centre National de Recherches Appliquées Au Développement Rural(FOFIFA).

Notons qu’en termes de développement du riz hybride, Madagascar dispose déjà d’un Sous-centre Africain du Centre National de R&D en riz hybride de Chine situé à Andranovaky/Mahitsy et en collaboration avec la société Yuan’s le MAEP a également commencé la production de semences de riz hybride W902-3 au Centre Multiplicateur de Semence (CMS) d’Ambahivaibe /Région DIANA.

Retour

Comments are closed.