Fihaonam-be hifanakalozan-kevitra andiany faha-11 an’ireo sehatra tsy miankina afrikanina ho fampiroboroboana ny toe-karena eto Afrika

Nahitana fivoarana  ny toe-karena afrikanina hatramin’ny taona 2014 nefa kosa mbola tsy tena  misy ny  firoboroboan’ny  toe-karena teto afrika. Isan’ny manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena afrikanina I Madagasikara.  Manana tombony lehibe amin’ny famokarana ara-pambolena izy mihoatra ireo firenena hafa, ary azo ahondrana tsara eo amin’ny tsena afrikanina izany.  

“Fanovàna ny toe-karena afrikanina amin’ny fanetsehana ireo sehatra tsy miankina sy ny fanangonana ireo fomba fanao nahomby nentin’ireo faritra hafa eran-tany”. Io no lohahevitra avoitra mandritry ny fihaonam-be hifanakalozan-kevitra andiany faha-11 ho an’ireo sehatra tsy miankina afrikanina, izay tanterahina ao amin’ny CCI Ivato ny 06 ka hatramin’ny 08 novembre 2019, karakarain’ny vaomeran’ny vondrona afrikanina miaraka amin’ny fanohanan’ny biraon’ny firenena mikambana ho an’ny fiaraha-miasa atsimo-atsimo sy ny fikambanana iraisam-pirenena  frankofôna na ny (OIF). Mila ovaina ny fomba famokarana eto Afrika mba ahafahana mampitombo hatrany ny vokatra sy ny toe-karena eto Afrika. Ka ny tanjon’ity hetsika ity dia ny fampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ireo sehatra tsy miankina amin’ny fampivoarana sy fanovàna ny toe-karen’i Afrika. Fanapahan-kevitra noraisin’ny vondrona afrikanina ny fametrahana ny fifanakalozana ara-barotra malalaka  eto amin’ny kontinanta afrika. Marihana fa ny tanjon’ ny“Agenda 2063” n’ny vondrona afrikanina dia mikendry ny fanovàna an’I Afrika ho herin’izao tontolo izao amin’ny ho avy.

Hirika iray ahafahana mampiroborobo ny fifanakalozana eo amin’ireo sehatra tsy miankina afrikanina sy ireo mpandray anjara goavana ao anatin’ny firenena atsimo ary ny faritra frankofôna noho izany ity hetsika ity. Sehatra ihany koa ahafahana mampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ireo sehatra tsy miankina amin’ny fampivoarana sy fanovàna ny toe-karen’ny afrika.  

Mankamin’ny fanatrarana ny tanjon’ny « agenda 2063”n’ny vondrona afrikanina

Ny fifanakalozana mandrintry ny roa andro dia ahafahana tsara mandray fanapahan-kevitra amin’ny fanatratrarana ny tanjona  mifandraika amin’ny “Agenda 2063”, izay mikendry ny fanovàna an’I Afrika ho herin’izao tontolo izao amin’ny ho avy. Vokatra andrasana amin’izany ny mba ahafahan’ny Afrika mijery ny afrika, ny ahafahan’ireo tanora afrikanina manorina  ny fanantenany ary indrindra ny fomba ahafahan’ireo sehatra tsy miankina afrikanina mivarotra amin’izy samy izy sy amin’ireo sehatra tsy miankina any amin’ny kontinanta hafa.

Manodidina ny 300 moa ny mpandray anjara amin’ity fihaonam-be hifanakalozan-kevitra ity izay ahitana ireo mpampiasa vola sy ireo mpikambana ao amin’ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny faritra dimy kontinanta afrika, ary koa ireo mpampiasa vola avy any Chine, Turquie, Etazonia, ary  ny faritra hafa. Mandray anjara amin’ny fampirantina amin’ny tranoeva ny MAEP ka asongadina amin’izany ny ahafahana manodina sy manondrana ny vokatra ara-pamokarana ao amin’ny tsenan’ny Afrika.

—————————

11ème forum du secteur privé africain pour la croissance économique de l’Afrique

L’économie africaine a connu une croissance jusqu’en 2014 mais la croissance économique n’est pas inclusive. Madagascar tient un rôle majeur dans l’accroissement de l’économie africaine. Il dispose davantage comparatif en termes de production agricole que l’on peut exporter vers le marché africaine.

« La transformation des économies africaines par la mobilisation du secteur privé et la capitalisation des bonnes pratiques des autres régions du monde » tel est le thème du11ème forum du secteur privé africain qui se déroule du 06 au 08 novembre 2019 au CCI Ivato, organisé par la commission de l’Union africaine avec l’appui du bureau des Nations-Unis pour la coopération Sud-Sud ou UNOSSC et l’OIF (Organisation Internationale de la Francophonie). La productivité devrait être changée  afin d’augmenter la production et l’économie africaine. L’objectif de ce forum est de promouvoir la participation des secteurs privés à la croissance et à la transformation économique de l’Afrique. Dans ce cadre, l’union africaine a décidé de mettre en place les zones de libre-échange continental africain. Notons que l’Agenda 2063 de l’Union Africaine, vise la transformation de  l’Afrique en puissance mondiale de l’avenir.

Ce forum est donc une occasion de promouvoir les échanges entre les secteurs privés africains et les principales parties prenantes des pays du sud et de l’espace francophone, et notamment de promouvoir la participation des secteurs privés à la croissance et à la transformation économique de l’Afrique.

Vers l’atteinte de l’objectif de l’agenda 2063 de l’Union africaine

Les échanges pendant les 2jours permettraient d’atteindre les objectifs de l’Agenda 2063 de l’Union Africaine, qui vise à transformer l’Afrique en puissance mondiale de l’avenir. Les résultats attendus seront de décider sur des idées importantes sur lequel comprennent les engagements de l’Union africaine : l’Afrique regarde l’Afrique, les jeunes africains doivent continuer à fonder leurs espoirs et leurs espérances sur l’Afrique, et des stratégies seront élaborés  pour que les secteurs privés africains puissent commercer  entre eux et puis avec les autres secteurs privés des autres continents.

Plus de 300 acteurs ont participé à ce forum dont des membres du secteur privé et des investisseurs des cinq régions du continent africain, des investisseurs provenant de Chine, de la Turquie, des Etats-Unis et bien d’autres régions. Le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche participe à l’exposition dans les stands en mettant en exergue les possibilités de la transformation et de l’exportation agricole vers le marché africaine. “/>�.�؈

Comments are closed.