Injeniera agronoma miisa 95 hisehatra ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra

Tanora injeniera miisa 95, andiany VAHINALA, no hirotsaka an-tsehatra hampiatrà ny fahalalana sy fahaiza-manao azony nandritry ny 5 taona tao amin’ny toeram-piofanana ambony momba ny hay fambolena sy ny hay famokarana eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo na ny ESSA. Handray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izy ireo ary hifantoka kokoa amin’ny famokarana ahazoana tombony sy ahazoana vola ny asa hataony. Ny rafi-piofanana izay nisy azy ireo dia manana anjara toerana lehibe amin´ny politikan´ny firenena. Noho izany dia manana adidy amin’ny fanatratrarana ny tanjon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary Jono (MAEP) ary indrindra ny fanjakana Malagasy izy ireo.

Ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Lucien RANARIVELO moa no ray mpiahy ity andiany VAHINALA, izay navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 25 Oktobra 2019 ity. Manoloana izany dia tohana ara-bola mitentina 6 tapitrisa Ariary no natolony azy ireo, entina anombohana ny asa fampandrosoana.

———————————————————————–

95 ingénieurs agronomes acteurs pour le développement rural

95 jeunes ingénieurs de la promotion VAHINALA viendront appliquer leurs compétences et leurs connaissances acquises tout au long des 5 années de formation au sein de l’Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA) au sein de l’Université d’Antananarivo. L’ESSA est impliquée totalement dans le processus de développement rural. Ainsi, ces ingénieurs vont contribuer à l’atteinte des objectifs du MAEP et surtout celles de l’Etat. Leurs actions se focaliseront davantage sur les activités  rémunératrice de revenu et rentables.

Le parrain de la promotion VAHINALA, Lucien RANARIVELO, Ministre de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche a fourni à cette dernière un appui financier de 6 millions Ariary lors de la sortie officielle des ingénieurs le 25 octobre 2019 à Ankatso pour leurs permettre de commencer leurs activités.

Retour

Comments are closed.