Seha-pihariana paraky: mampidi-bola manodidina ny 300 miliara ariary isan-taona

Mampidi-bola manodidina ny 300 miliara ariary isan-taona ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny seha-pihariana paraky amin’ny alalan’ny OFMATA, antokon-draharaham-panjakana eo ambany fiahian’ny Miniteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Tantsaha miisa 3 alina no mivelona sy misehatra ao anatin’ny famokarana paraky eto Madagasikara. Ambalavao no faritra mpamokatra paraky voalohany ary mahatratra 2000 taonina isan-taona eo eo ny vokatra.

Manao tosika ny tantsaha mpamboly paraky ny orinasa amin’ny alalan’ny fanomezana zezika, fanafody famonoana bibikely, sns, ary indrindra misahana ny fampiroboroboana ny ambanindahiny sy ny fitsirihana ny fambolena paraky eto Madagasikara. Mamelona ny mpiasa ny orinasa, mamelona ny tantsaha ary indrindra mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’I Madagasikara. Politikan’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP) moa ny mampiroborobo ny tontolo ambanivohitra sy mampiakatra ny fari-piainan’ny tantsaha.

Hisy moa ny fisondrotan’ny vidin’ny paraky manomboka ny volana oktobra 2019 ho avy izao araka ny fanambarana nataon’dRamatoa talen’ny Kabinetra mpisolo toerana avy ao amin’ny MAEP.

Nankalazaina ny Sabotsy 28 septambra 2019 teo amin’ny birao foibe Antanimena ny faha 50 taonan’ny orinasa, izay nomarihina tamin’ny fitokanana takelaka mari-pahatsiarovana sy tsangam-bato.

Mpiasa naharitra sy feno fahamendrehana miisa 76 ihany koa no notolorana mari-boninahitra sy mari-pankasitrahana nandritra ny lanonam-pankalazana izay natao teny Alasora.

Filière tabac : génère près de 300 milliards d’ariary par an à l’Etat

Le tabac est un produit stratégique de l’Etat Malagasy. Bien que la filière tabac reste dans l’ombre des autres spéculations, elle représente cependant  un poids important dans l’économie Malgache et  contribue également à l’amélioration des conditions de vie des exploitants agricoles concernés par la filière.

La filière tabac à Madagascar représente près de 20 % des recettes fiscales. Elle génère près de 300 milliards d’Ariary  de recette par an. Ces statistiques représentent les transactions issues de l’achat du tabac en feuille.

La filière est règlementée par l’OFMATA (Office Malgache du Tabac) un établissement public rattaché au Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche qui a pour rôle d’assurer pour le compte de l’Etat Malagasy le contrôle de la filière : achats des produits auprès des paysans  et traitements approvisionnement exclusif. A noter que la culture du tabac ne peut se faire sans autorisation de la part de l’OFMATA.

Aujourd’hui OFMATA contribue  au développement du secteur agricole Malagasy. Actuellement la filière tabac  fait vivre près de 30 000 paysans et constitue pour ces paysans une source de revenu fiable. Ambalavao est la première zone productrice. La production annuelle à Madagascar est estimée à 2000t/an. Il  a également développé et intensifié les activités de recherches en effectuant des corrections variétales afin d’améliorer les variétés existantes. L’OFMATA a décidé d’augmenter le prix du Tabac ce mois d’octobre et envisage une augmentation l’année prochaine.

C’est dans ce contexte que L’OFMATA a célébré sa 50ème année d’existence le 28 septembre 2019. A cette occasion, près de 76 employés ont reçus des distinctions honorifiques.

Lien interview DG OFMATA: https://youtu.be/ReWNHuppcqw

Retour

Comments are closed.