Fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono nataon’ny masoivohon’ny Frantsa

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Lucien RANARIVELO ,ny alakamisy 03 oktobra 2019 tao Anosy ny masoivohon’i Frantsa Christophe BOUCHARD.Niompana tamin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta dia Madagasikara sy Frantsa ny fifanakalozana nataon’izy ireo indrindra ny eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.Vonona izy ireo hiara-hiasa amin’i Madagasikara ary hiezaka hijery eny ifotony ireo asa izay ho atao.

Vokatry ny fihaonana teo amin’ny Filoham-pirenena Frantsay ,Emmanuel Macron sy ny Filoham-pirenena Malagasy,Andry Rajoelina tamin’ny fitsidihana ofisialy izay natao tamin’ny volana Mey teo,dia maro ny tetik’asa izay ho tohanana ka anisan’izany ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa ATOS izay mametraka ny « digitalisation » ,teknolojia moderna sy manara-penitra,ao ihany koa ny hay kajy mirindra na « éthique »amin’ny fanatsarana ny lalam-pihariana vary.Izany dia mifanandrify indrindra amin’ny velirano ny Filoha dia ny fahavitan-tena ara-bary.

VISITE DE COURTOISIE EFFECTUE PAR L’AMBASSSADEUR DE FRANCE

L’Ambassadeur de France Christophe BOUCHARD a effectué une visite de courtoisie auprès du Ministre de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche Lucien RANARIVELO , le jeudi 03 octobre 2019.La discussion était accès sur la coopération entre les deux pays, Madagascar et la France, notamment dans les domaines de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche.

Suite à la rencontre du Président Français, Emmanuel Macron et le Président Malgache, Andry Rajoelina en mai dernier, plusieurs projets ont été soutenus par la France comme le partenariat avec la société ATOS pour mettre en œuvre la digitalisation : technologies modernes et normalisé, ainsi que la technique ou “l’éthique” de l’amélioration du secteur riz,qui coïncide avec le velirano n°9 :l’autosuffisance en riz.

Retour

Comments are closed.