Ambohitrimanjaka: efa miverina amin’ny laoniny ny fizarana rano

Miantoka ny fiveloman’ny tantsaha malagasy ny famokarana eny ambanivohitra indrindra ny famokaram-bary. Isan’ny ezaka lehibe tratrarina eo anivon’ny Ministera misahana ny fambolena rahateo ny fahavitan-tenan’ny Malagasy ara-bary ary saro-pady tokoa ny fampidirana rano an-tanimbary.

Noho ny tsy fahampian-drano eo amin’ny ny lemak’Ambohitrimanjaka dia teraka ny disadisa teo amin’ireo samy mpamboly sy mpampiasa ny reniranon’ny Sisaony. Nisy tantsaha nanangana toha-drano tsy ara-dalana ka velaran-tanimbary manodidina ny 1 000 ha, izay mamokatra vary 6t/ha no lasa maina tanteraka ka tsy afaka nanohy ny asa famokarana ireo hafa ao an-toerana. Tsy azo atao anefa ny manao izany sakana izany. Manoloana izany dia nijery ny zava-misy ny Ministera. Efa voavaha ny olana ankehitriny ary efa miverina amin’ny laoniny ny fitantanan-drano eny an-toerana. Afaka 15 andro, raha ny fanazavana nentin’ireo tantsaha izay fay rano teo aloha dia afaka hanomboka indray, hanohy ny asa famokarany izy ireo.

Ambohitrimanjaka : problème de partage d’eau réglé

Avec le riz comme aliment de base, la riziculture est une activité agricole de première importance à Madagascar. La production repose sur une bonne maitrise d’eau. A Ambohitrimanjaka, la fleuve Sisaony irrigue les rizières de plusieurs communes telles que celle d’Andohatanjona, Ambohijafy et Apangabe. Mais les habitants font face à l’insuffisance du débit d’eau. Récemment, des riziculteurs et association d’usagers de l’eau des communes situées en amont du fleuve ont construit un barrage sans autorisation entre la commune d’Andohatanjona et d’Ambohitrimanjaka pour assurer une meilleure irrigation de leurs rizières. Par conséquent, les 1 000 ha de rizières de la commune d’Ambohitrimanjaka produisant 6t/ha n’arrivaient plus à être irrigués. Plusieurs familles de riziculteurs se sont plaintes auprès des différentes autorités locales.

Face à cette situation, les techniciens du Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche s’est rendue sur place pour rencontrer les autorités locales (Commune/ Fokontany), les riziculteurs, les Usagers de l’eau. Les différentes concertations et discussions ont abouti à un retour à la normale de la situation, permettant aux agriculteurs des communes concernées de continuer sereinement leurs activités.

Retour

Comments are closed.